Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-3

5 Ary Iaveh niseho tamin'i Salomona tamin'ny nofy, nony alina, tany Gabaona, ka hoy Andriamanitra taminy: Angataho izay tianao homeko anao. 7 Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra รด, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an'i Davida raiko hianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. 8 Ary ny mpanomponao dia eo afovoan'ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. 9 Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao! 10 Nankasitrahan'ny Tompo ny nangatahan'i Salomona izany zavatra izany taminy.

11 Ka hoy Andriamanitra taminy: Noho hianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain'ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny; 12 dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra hianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1204