Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-8

41 Ny amin'ny vahiny, izay tsy isan'Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin'ny anaranao,

42 fa ho ren'ny olona ny anaranao be voninahitra sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin'ity trano ity izy, 43 dia mihainoa any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka arak'izay rehetra hangatahin'ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin'ny tany ny anaranao, ka hatahorany anao, tahaka an'Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin'ity trano nataoko ity ny anaranao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0608