Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-5

1 Naamana, komandin'ny tafiky ny mpanjakan'i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin'ny tompony, fa izy no namonjen'ny Tompo ny Siriana; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.

2 Fahizany kosa nisy Siriana nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin'ny tanin'Israely, izay tonga mpanompon'ny vadin'i Naamana. 3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Raha mba any amin'ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompolahiko, dia hositranin'ny mpaminany amin'ny habokany tokoa! 4 Ka lasa Naamana nilaza izany tamin'ny tompony, nanao hoe: Izao sy izao avy no nolazain'ilay zazavavy kely, avy any amin'ny tanin'Israely. 5 Dia hoy ny mpanjakan'i Siria: Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan'Israely. Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla; ary akanjo impolo miova. 6 Nateriny tamin'ny mpanjakan'Israely ilay taratasy izay misy manao hoe: Rahefa tonga atý aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atý aminao Naamana mpanompoko, mba hositraninao amin'ny habokany. 7 Nony voavakin'ny mpanjakan'Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan'ilay iny olona ho atý amiko hositraniko amin'ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filany ady amiko izao. 8 Vao nandre Elisea olon'Andriamanitra fa hoe: notriarin'ny mpanjakan'Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin'ny mpanjaka hoe: Nahoana hianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatý amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin'Israely.

9 Dia nandeha Naamana mbamin'ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisea. 10 Olona no nirahin'i Elisea hilaza aminy hoe: Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao. 11 Tezitra Naamana, ka lasa niombotra nanao hoe: Indro aho nanao anakampò hoe: hivoaka hankatý amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran'ny Tompo Andriamaniny sy hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny fery, dia hahasitrana ilay boka. 12 Tsy tsara noho ny ranon'Israely rehetra va Abana sy Farfara onin'i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho, ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana. 13 Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain'ny mpaminany hataonao moa tsy ho nataonao ihany va? Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa, dia hadio hianao! 14 Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin'ny olon'Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy. 15 Dia niverina nankao amin'ilay olon'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra afatsy eto amin'Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin'ny mpanomponao hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962