Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-6

22 Ka toy izany no nametahany volamena avokoa ny trano manontolo, dia ny trano manontolo, ary ny otely teo anoloan'ny fitoerana masina nopetahany volamena. 23 Kerobima roa vita tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, no nataony tao anatin'ny fitoerana masina, folo hakiho avy no hahavony.

24 Dimy hakiho avy ny elatra iray amin'ny kerobima, ary dimy hakiho ny elatra iray amin'ny kerobima, ka folo hakiho izany, hatramin'ny tendron'ny elany iray ka hatramin'ny tendron'ny elany iray ankilany. 25 Ny kerobima iray koa folo hakiho, fa mitovy habe sy mitovy tarehy ny kerobima roa; 26 folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary toy izany koa ny kerobima iray. 27 Mivelatr'elatra no nametrahan'i Salomona ireo kerobima ireo, tao afovoan'ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin'ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin'ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan'ny trano, 28 ary nopetahany volamena ny kerobima. 29 Ny rindrin-trano rehetra manodidina na ny atiny na ny ivelany nasainy nosokirina nasiana sarin-kerobima mivohitra sy foto-drofia amam-boninkazo mivelatra avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458