Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-13
20 Maty Elisea ka nalevina. Tamin'ny fitsingerena'ny taom-baovao dia nisisika tamin'ny tany ny andian-jirika Moabita.21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin'ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan'i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin'ny tongony.
