Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin'ny tafio-drivotra Elia.

12 Sady nijery Elisea no niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin'Israely sy mpitaingi-tsoavaliny! dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin'izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa, 13 ary noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Rahefa izay dia teo amin'i Jordany izy dia nijanona teo amorony. 14 Noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: Aiza Iaveh Andriamanitr'i Elia! Aiza izy! Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita Elisea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1184