Bokin'ny Mpitoriteny

Toko voalohany

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra.

3 Inona no soa azon'ny olona, amin'ny fisasarana rehetra ikezahany aty ambany masoandro?

4 Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.

5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin'ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo.

7 Mankany amin'ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin'ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka.

8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.

9 Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao, no hatao, fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.

10 Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin'ny siekla talohantsika izany zavatra izany.

11 Ny taloha, tsy tsaroan'ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin'izay ho velona rahatrizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3483