Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-11

1 Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.

2 Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatra izay loza mety hanjo eto ambonin'ny tany.

3 Rahefa feno orana ny rahona, dia alatsany amin'ny tany izany; ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.

4 Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy, ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.

5 Toy ny tsy ahalalanao ny làlan'ny rivotra sy ny fomba fiforon'ny taolana ao am-bohoka, no tsy hahalalanao ny asan'Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.

6 Vao maraina dia afafazo ny voanao, ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tànanao, fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na iry, na samy ho vanona aza izy roa tonta.

7 Mamy ny fahazavana, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro.

8 Na maro toy inona aza ny taona iainan'ny olona, aoka hifaly izy amin'izany taona rehetra izany ary aoka hoheveriny ny andro maizina, fa ho maro izy ireny; izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.

9 Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora hianao; aoka hahazo firavoravoana amin'ny fonao hianao amin'ny andron'ny fahatanoranao! Mandehana any amin'izay làlan'ny fonao, sy arak'izay fijerin'ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan'Andriamanitra anao hotsaraina.

10 Esory ao am-ponao ny alahelo, ary alaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098