Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-3

1 Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro:

2 fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.

3 Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.

4 Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.

5 Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana.

6 Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitehirizana, ary fotoana hanariana.

7 Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.

8 Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

9 Inona no soa an'izay miasa, amin'ny hasasarana iaretany?

10 Nodinihiko ny asa asain'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona;

11 ka ny zavatra rehetra samy nataon'Andriamanitra ho tsara amin'ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon'izy ireo koa, nefa tsy azon'ny olombelona fantarina ny asa ataon'Andriamanitra hatramin'ny fiandohany ka hatramin'ny fiafarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0982