Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-4

1 Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao aty ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan'ny fanaovana an-kerin'ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy.

2 Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny maty izay efa maty, noho ny velona izay mbola velona izao.

3 Ary sambatra noho izy roa tonta ireo indray aza, ny tsy mbola hary akory, ka tsy nahita ny asa ratsy, atao aty ambany masoandro.

4 Hitako fa ny asa rehetra mbamin'ny fahakingana rehetra amin'ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin'olona avy amin'ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

5 Ny adala manohon-tànana ihany, sady mihinana ny nofon'ny tenany.

6 Aleo tànan'ila feno fiadanana; toy izay tànan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.

7 Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa aty ambany masoandro:

8 Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa asa lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an'iza ary ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.

9 Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery; fa rahefa olon-droa dia misy karama be azony amin'ny asany,

10 fa raha lavo izy ireo, azon'ny anankiray arenina ny namany. Fa loza kosa no mahazo ny manirery, ka lavo tsy misy namana hanarina azy!

11 Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa; fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy?

12 Ary raha misy maharesy ny irery, ho voatohitry ny roa ihany kosa; ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.

13 Aleo zatovo mahantra sy hendry, toy izay mpanjaka antitra sy adala, tsy mety mihaino torohevitra intsony;

14 fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy, na dia teraka mahantra teo amin'ny fanjakany aza.

15 Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho, teo anilan'ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjaka antitra.

16 Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny làlana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

17 Tandremo ny tongotrao, raha mankany an-tranon'Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon'ny adala; satria entin'ny tsy fahalalany hanao ratsy izy ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.095