Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-5

1 Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan'Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, hianao ety an-tany; ka aoka ho vitsy teny hianao.

2 Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin'adala.

3 Raha manao voady amin'Andriamanitra hianao, aza ela fanefa izany, fa tsy misy hasoavana homena ny adala: koa efao ny voady ataonao.

4 Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady, toy izay mivoady tsy mahefa.

5 Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao; ary aza milaza eo anatrehan'ny irak'Andriamanitra hoe: zavatra tsy nahy izany: fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin'ny teninao, ka handrava ny asan'ny tànanao?

6 Fa toy ny isian'ny zava-poana amin'ny hamaroan-draharaha, no isian'izany koa, amin'ny teny maro; ka matahora an'Andriamanitra.

7 Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin'izany, fa ny olona ambony tandreman'ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.

8 Tena soa tokoa ho an'ny tany, raha dinihina tsara, ny ananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.

9 Izay tia vola tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr'izany. Zava-poana koa izany.

10 Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon'ny tompony amin'izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?

11 Mamy ny torimason'ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan'ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.

12 Misy loza makadiry hitako taty ambany masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany.

13 Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.

14 Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny nihaviany avy ao ihany; fa tsy hahazo na inona na inona avy amin'ny asany, ho azony tentina eny an-tànany.

15 Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny nihaviany: Ka inona no soa azony, tamin'ny nisasarany ho an'ny rivotra?

16 Fanampin'izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.

17 Ka izao no hitako: Tsara sy mety ho an'ny olona ny mihinana sy misotro, ary ny mahazo miadana amin'ny asa rehetra ataony, izay imasoany aty ambany masoandro, mandritra ny andro iainany, omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.

18 Fanampin'izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin'Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin'izany ary mifaly amin'ny asany: dia fanomezan'Andriamanitra izany.

19 Fa tsy eritreretiny loatra amin'izay ny andro iainany, satria efa rotsahan'Andriamanitra fifaliana ny fony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.143