Bokin'ny Mpitoriteny
Mpitoriteny toko 5
Ny mety hatao amin'ny fanefana ny adidy momba ny fivavahana; fampahoriana amam-panimbana samihafa, fametrahan-tena amin'ny fitondran'Andriamanitra.
1 Aza haingam-bava foana,
ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana
hanonona teny eo anatrehan'Andriamanitra:
fa Andriamanitra any an-danitra, hianao ety an-tany;
ka aoka ho vitsy teny hianao.
2 Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy;
ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin'adala.
3 Raha manao voady amin'Andriamanitra hianao,
aza ela fanefa izany,
fa tsy misy hasoavana homena ny adala:
koa efao ny voady ataonao.
4 Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady,
toy izay mivoady tsy mahefa.
5 Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao;
ary aza milaza eo anatrehan'ny irak'Andriamanitra hoe:
zavatra tsy nahy izany:
fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin'ny teninao,
ka handrava ny asan'ny tànanao?
6 Fa toy ny isian'ny zava-poana amin'ny hamaroan-draharaha,
no isian'izany koa, amin'ny teny maro;
ka matahora an'Andriamanitra.
7 Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra,
fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana:
aza sanganehana foana amin'izany,
fa ny olona ambony tandreman'ny ambony kokoa,
ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
8 Tena soa tokoa ho an'ny tany, raha dinihina tsara,
ny ananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.
9 Izay tia vola tsy mety vokim-bola;
ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr'izany.
Zava-poana koa izany.
10 Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy,
ary inona moa no soa azon'ny tompony amin'izany,
afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
11 Mamy ny torimason'ny mpiasa,
na kely na be no hanin-kohaniny;
fa tsy ahitan'ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.
12 Misy loza makadiry hitako taty ambany masoandro,
dia harena tehirizin'ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany.
13 Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany;
ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.
14 Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny
no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny nihaviany avy ao ihany;
fa tsy hahazo na inona na inona avy amin'ny asany,
ho azony tentina eny an-tànany.
15 Fahoriana lehibe koa izao,
dia ny hahalasanany toy ny nihaviany:
Ka inona no soa azony, tamin'ny nisasarany ho an'ny rivotra?
16 Fanampin'izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy
sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.
17 Ka izao no hitako:
Tsara sy mety ho an'ny olona ny mihinana sy misotro,
ary ny mahazo miadana amin'ny asa rehetra ataony,
izay imasoany aty ambany masoandro,
mandritra ny andro iainany,
omen'Andriamanitra azy;
fa izany no anjarany.
18 Fanampin'izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin'Andriamanitra
hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin'izany
ary mifaly amin'ny asany:
dia fanomezan'Andriamanitra izany.
19 Fa tsy eritreretiny loatra amin'izay ny andro iainany,
satria efa rotsahan'Andriamanitra fifaliana ny fony.