Bokin'ny Mpitoriteny

Mpitoriteny toko 7
Foto-kevitra momba ny alahelo amam-pahendrena, ary fahononana amin'ity fiainana ity.

       1 Aleo laza soa, toy izay hanitra soa;
ary aleo ny andro ahafatesana, toy izany ny andro ahaterahana.
       2 Aleo mankany an-trano misy fisaonana,
toy izay mankany an-trano misy fanasana;
satria itsy voalohany no isehoan'ny hiafaran'ny olombelona,
ka atodiky ny velona hieritreritra an'izany ny fony.
       3 Aleo alahelo toy izay hehy;
fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.
       4 Ny fon'ny hendry, ao an-trano misy fisaonana,
fa ny fon'ny adala, ao an-trano misy fifaliana.
       5 Aleo mihaino ny fananaran'ny hendry,
toy izay mihaino ny hiran'ny adala.
       6 Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany
ny hehin'ny adala.
Zava-poana koa izany.
       7 Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry;
ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.
       8 Aleo ny fiafaran'ny zavatra, toy izay ny fiandohany;
aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.
       9 Aza maika foana ny ho tezitra am-po;
fa ny tratran'ny adala no fitoeran'ny hatezerana.
       10 Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha,
no tsara noho ny ankehitriny?
fa tsy mba fahendrena no anontaniana an'izany.
       11 Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova,
ary mahasoa an'izay mahita masoandro izy.
       12 Fa sahala ny fiarovana avy amin'ny vola
sy ny fiarovana avy amin'ny fahendrena;
nefa soa manan-tombo ny fahaizana,
dia mampiaina an'izay manana azy ny fahendrena.
       13 Jereo ange ny asan'Andriamanitra:
Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?
       14 Mifalia, amin'ny andron'ny fahasambarana,
ary mieritrereta, amin'ny andron'ny fahoriana:
fa samy nataon'Andriamanitra ireo,
mba tsy hahafantaran'ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.
       15 Izao rehetra izao no efa samy hitako, tamin'ny andron'ny hatsinontsinoko.
Misy marina, maty amin'ny fahamarinany;
ary misy ratsy fanahy ela velona amin'ny faharatsiany!
       16 Aza dia marin-doatra,
ary aza dia miseho ho hendry loatra:
ahoana no hitadiavanao hamono tena?
       17 Aza dia sompatra loatra,
ary aza dia adala:
Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan'ny fotoanao?
       18 Tsara ny hitananao an'ity,
sy tsy hanaovanao mosalahy amin'iry;
fa ny matahotra an'Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.
       19 Ny hendry, omen'ny fahendrena hery,
mihoatra noho ny an'ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
       20 Fa tsy misy olombelona marina amin'ny tany,
izay manao ny tsara, ka tsy manota akory.
       21 Asa asianao raharaha loatra
izao teny lazaina rehetra izao;
fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.
       22 Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika
dia efa nanozona ny sasany koa hianao.
       23 Hitako tamin'ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany;
dia hoy aho: Ho hendry aho!
kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.
       24 Izay tonga dia lavitra sady lalina dia lalina;
ka zovy no mahatratra izany?
       25 Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina
ny fahendrena aman'anton-javatra,
ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana,
ary rediredy foana ny fitondra-tena adala.
       26 Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana
ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony;
ary famatorana ny tanany:
izay matahotra an'Andriamanitra afa-mandositra azy;
fa ny mpanota kosa hosingorany.
       27 Izao no hitako, hoy ny Mpitoriteny,
tamin'ny andinihana ny zavatra tsirairay, hahitana ny antony,
fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko,
nefa tsy hitako, dia izao:
Nahita lehilahy iray tamin'ny arivo aho,
nefa tsy nahita vehivavy iray tamin'izany isa izany ihany kosa.
       28 Fa jereo ange, izao no hitako:
Nataon'Andriamanitra mahitsy fo ny olona,
fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.