Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-8

1 Iza moa no tahaka ny hendry, ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy? Ampamirapiratin'ny fahendren'ny olona ny tarehiny, ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.

2 Hoy aho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka, noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra:

3 aza maika hiala eo anatrehany. Aza mikiribiby amin'ny zavatra tsy mety, fa izay sitrany rehetra azony atao avokoa.

4 Manan-kery tsy toha ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hanao aminy hoe: Inona ity ataonao?

5 Izay nitandrina ny didy, tsy iharan-doza na inona na inona: ary ny fon'ny hendry hahalala ny fotoana sy ny fitsarana.

6 Fa samy misy fotoana amam-pitsarana ho azy avy ny zavatra rehetra, fa lehibe ny loza hanjo ny olombelona.

7 Tsy mahalala izay ho avy izy; ary iza no hilaza aminy, na hanao ahoana na hanao ahoana no hihavian'izany?

8 Tsy tompon'ny fofon'ainy ny olombelona, ka hahatana ny fofon'ainy: ary tsy manam-pahefana amin'ny andro ahafatesany izy; tsy misy avaka ny amin'izany ady izany, ary ny heloka tsy hahavonjy ny olo-meloka.

9 Nahita izany rehetra izany aho; fa nentiko mandinika ny zavatra rehetra atao aty ambany masoandro, ny saiko, amin'ny andro anapahan'olona iray, ny olon-kafa, ka ampidirany loza aminy.

10 Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana, sy tafiditra ny fitsaharany, fa ny olona manao ny marina kosa, miala lavitra ny fitoerana masina, ary hadinoina ao an-tanĂ na. Zava-poana koa izany.

11 Saingy tsy tanterahina vetivety, ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao, ka noho izany ny fon'ny zanak'olombelona dia mihasahy ao anatiny amin'ny fanaovan-dratsy;

12 fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota, ka ho lava andro iainana koa, fantatro fa ny fahasambarana kosa, dia an'izany matahotra an'Andriamanitra, dia izay tsindrian'ny fahatahorana eo anatrehany.

13 Fa tsy mba an'ny ratsy fanahy, ny hasambarana; ary ho toy ny aloka izy fa tsy ho lava andro iainana, noho izy tsy matahotra an'Andriamanitra.

14 Izao koa no zava-poana miseho aty ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan' izay mendrika ny asan'ny ratsy fanahy: ary misy olon-dratsy iharan' izay mendrika ny asan'ny tsara fanahy. Ka hoy aho: zava-poana koa izany.

15 Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an'ny olona aty ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin'ny asany, mandritra ny andro omen'Andriamanitra hiainany, aty ambany masoandro.

16 Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko, sy handinika ny anjara asa, atao aty ambonin'ny tany, - fa na andro na alina tsy mahita tory ny mason'ny olona - dia hitako ny asan'Andriamanitra manontolo;

17 hitako fa tsy hain'olombelona fantarina ny asa atao aty ambany masoandro; misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita, na maniry te-hahalala aza ny hendry dia tsy mahatakatra koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106