Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-11

1 Jefte ilay Galaadita, dia lehilahy mpiady mahery. Zanaky ny vehivavy janga anankiray izy; ary Galaada anefa no ray niteraka an'i Jefte.

2 Niteraka lahy maro tamin i Galaada anefa ny vadiny; ka nony lehibe ireo dia nandroaka an'i Jefte sy nanao taminy hoe: Tsy handova eto an-tranon-drainay hianao, satria zana-behivavy hafa. 3 Dia nandositra lavitra ny rahalahiny Jefte, ka nonina tany amin'ny tany Toba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandehan izy. 4 Nony afaka kelikely taorian'izany, dia niady tamin'ny zanak'Israely ny tarana'i Amona.

5 Ka tamin'izany niadian'ny taranak'i Amona tamin'Israely izany, dia lasa ny loholon'i Galaada naka an'i Jefte tany amin'ny tany Toba. 6 Hoy izy tamin'i Jefte: Avia, dia ho jeneralinay hianao, ka hiady amin'ny taranak'i Amona. 7 Fa hoy Jefte tamin'ny loholon'i Galaada: Tsy efa nankahala ahy sy nandroaka ahy hiala tao an-tranon'i kaky va hianareo? Ka ahoana indray no alehanareo aty amiko, nony zoim-pahoriana hianareo izao? 8 Ary hoy ny loholon'i Galaada tamin'i Jefte: Izany indrindra no hiverenanay aty aminao ankehitriny, mba handehananao hiaraka aminay sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona; ary ho filohany sy ny mponina rehetra any Galaada hianao. 9 Izao no navalin'i Jefte tamin'ny loholon'i Galaada: Raha entinareo miverina hiady amin'ny taranak'i Amona aho, ka atolotry ny Tompo eo an-tànako izy, dia izaho no ho filohanareo? 10 Hoy ny loholon'i Galaada tamin'i Jefte: Aoka Iaveh no ho vavolombelona amintsika; fa hotanterahinay tokoa izany voalazanao izany. 11 Dia nandeha niaraka tamin'ny loholon'i Galaada Jefte. Natsangan'ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin'i Jefte teo anatrehan'ny Tompo tany Masfà indray ny teniny rehetra. 12 Nandefa iraka ho any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona Jefte, hilaza aminy hoe: Mifampaninona moa izaho sy hianao, no tonga hamely ahy hianao ka hanafika ny taniko?

13 Ary hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, namaly ny irak'i Jefte: Satria, raha niakatra avy any Ejipta Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnona ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny. 14 Dia nandefa iraka indray Jefte ho any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona,

15 ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'i Jefte: Israely tsy naka ny tanin'i Moaba, na ny tanin'ny taranak'i Amona. 16 Fa fony niakatra avy tany Ejipta Israely, dia nandeha tany an'efitra, hatreo amin'ny ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy. 17 Nandefa iraka ho any amin'ny mpanjakan'ny Edoma Israely, tamin'izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan'i Edoma. Dia naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy Israely. 18 Rahefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan'ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin'i Arnona izy ireo fa tsy nandroso tamin'ny faritr'i Moaba, fa i Arnona no faritr'i Moaba. 19 Tao Israely, dia nandefa iraka ho any amin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, mpanjakan'i Hesebona, ary hoy Israely taminy: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho, hankany amin'ny taninay. 20 Sehona anefa, tsy ampy fitokiana an'Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra Sehona, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin'Israely. 21 Fa natolotry ny Tompo Andriamanitr'Israely, ho eo an-tànan'Israely, Sehona mbamin'ny vahoakany rehetra, ka noreseny ireny, dia azon'Israely ny tanin'ny Amoreana rehetra izay nonina tamin'izany faritany izany; 22 lasany avokoa ny faritanin'ny Amoreana, hatrany Arnona ka hatrany Jabaoka, ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordany. 23 Koa ankehitriny, rahefa noroahin'ny Tompo Andriamanitr'Israely ny Amoreana, teo anoloan'Israely vahoakany, hianao indray ve no handroaka an'Israely hiala ao? 24 Moa tsy mipetraka ho tompon'izay nomen'i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va hianao, ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon'izay rehetra nomen'ny Tompo Andriamanitray anay ho fanananay? 25 Moa tsara noho Balàka, zanak'i Sefora, mpanjakan'i Moaba, va hianao? Ary moa io mba nifanditra tamin'Israely, na niady taminy akory va? 26 Indro efa telon-jato taona izao no nonenan'Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, mbamin'ny tanàna rehetra amoron'i Arnona, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany? 27 Izaho tsy nanao ratsy taminao, fa hianao izao no manisy ratsy ahy, amin'ny ady ataonao amiko. Ka aoka Iaveh, ilay mpitsara, no hitsara anio ny zanak'Israely sy ny taranak'i Amona. 28 Tsy nahoan'ny mpanjakan'ny taranak'i Armona akory ny teny nampitondrain'i Jefte tany aminy. 29 Dia tonga tamin'i Jefte ny Fanahin'ny Tompo, ka nandeha namaky an'i Galaada sy Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak'i Amona.

30 Nivoady tamin'ny Tompo Jefte, nanao hoe: 31 Raha atolotrao eo an-tànako ny taranak'i Amona, dia ho an'ny Tompo ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho. 32 Dia nandroso hamely ny taranak'i Amona Jefte, ary natolotry ny Tompo teo an-tànany ireny, 33 ka nasiany hatrany Aroera ka hatrany akaikikaikin'i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voaetry teo anoloan'ny zanak'Israely ny taranak'i Amona. 34 Niverina nankany an-tranony any Masfà Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.

35 Vao nahita azy Jefte dia nandriatra ny fitafiany, ka nanao hoe: Adray, anaka, mahaketraka ahy hianao ary anisan'izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin'ny Tompo aho, ka tsy afa-mifody intsony. 36 Dia hoy izy taminy: Dada ô, efa niloa-bava tamin'ny Tompo hianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian'ny Tompo ny nataon'ny taranak'i Amona fahavalonao taminao. 37 Ary hoy izy tamin-drainy: Ity no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha hidina ho any amin'ny tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin'ireo namako. 38 Hoy ny navaliny azy: Ndeha àry. Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin'ny namany, nitomany ny fahavirjiniany tany amin'ny tendrombohitra izy. 39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka nontanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no nihavian'izao fanao amin'Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanakavavin'i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726