Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-12

1 Nivory ny lehilahy amin'i Efraima, ka nandeha nankany Sefora, nanao tamin'i Jefte hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona hianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin'ny tanànanao.

2 Dia izao no navalin'i Jefte azy ireo: Mbola nifamaly mafy tamin'ny taranak'i Amona izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy tonga namonjy ahy tamin'ny tànany hianareo. 3 Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy hianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotry ny Tompo teo an-tànako ireny. Ka nahoana hianareo no miakatra aty amiko anio hiady amiko? 4 Dia namory ny lehilahy rehetra amin'i Galaada Jefte, ka niady tamin'i Efraima. Noresen'ny lehilahin'i Galaada ny an'i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: Hianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin'i Efraima, ao afovoan'i Efraima sy Manase.

5 Dia azon i Galaada ny fitàna an'i Jordany ao amin'ny lafin'i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin'i Efraima manao hoe: Avelao kely aho mba hita, dia anontanian'ny lehilahin'i Galaada izy hoe: Efraimita va hianao? Ary mamaly izy manao hoe: Tsia. 6 Dia ahoy izy ireo manao hoe: Tonòny àry ny hoe: Skiboleta. Ary izy kosa manao hoe: Sibòleta, fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan'ny fitàna an'i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin'i Efraima maty tamin'izany andro izany. 7 Nitsara an'Israely enin-taona Jefte; rahefa izany dia maty Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin'ny anankiray amin'ny tanànan'i Galaada.

8 Ary taorian'izy io dia Abesàna, avy any Betleema, no mpitsara tamin'Israely.

9 Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanay vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan'ny fianakaviany; ary ny zanay lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tamin'Israely. 10 Rahefa izany dia maty Abesàna ka nalevina tany Betleema. 11 Taorian'izy io dia Ahialona avy any Zabolona no mpitsara tamin'Israely. Nandritra ny folo taona izy no mpitsara tamin'Israely.

12 Rahefa izany dia maty Ahialona avy any Zabolona ka nalevina tao Ajalona amin'ny tanin'i Zabolona. 13 Taorian'izy io, dia Abdòna, zanak'Ilela, avy any Faratòna, no mpitsara tamin'Israely.

14 Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak'ampondra fitopolo. 15 Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin'Israely. 16 Rahefa izany dia maty Abdòna zanak'Ilela, avy ao Faratòna, ka nalevina tao Faratòna amin'ny tanin'i Efraima any amin'ny tendrombohitry ny Amalesita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167