Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-13

1 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo indray ny zanak'Israely ka natolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina, nandritra ny efapolo taona.

2 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manoe, fianakavian'ny Danita, avy amin'ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.

3 Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba hianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa hianao, ka hitera-dahy. 4 Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, 5 fa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean'Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an'Israely amin'ny tànan'ny Filistina. 6 Dia nandeha nilaza tamin'ny lahy ravehivavy nanao hoe: Nisy olon'Andriamanitra tonga taty amiko; tahaka ny anjelin'Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay nihaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;

7 fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean'Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny. 8 Dia niantso an'ny Tompo Manoe tamin'izay ka nanao hoe: Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina aty aminay indray ilay olon'Andriamanitra efa nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin'ny zaza ho teraka.

9 Neken'Andriamanitra ny fangatahan'i Manoe, ka tonga tamin'ny vavy indray ilay anjelin'Andriamanitra. Tany an-tsaha izy no nipetraka ary tsy niaraka taminy Manoe vadiny: 10 ka lasa nihazakazaka faingana ravehivavy hampandre izany ny lahy, ka nilaza taminy hoe: Indro niseho tamiko ilay lehilahy tonga amiko indray andro iry. 11 Dia nitsangana Manoe, ka nanaraka ny vavy; nankany amin-dralehilahy sy nanao taminy hoe: Hianao va izany niteny tamin'ity vehivavy ity izany? Hoy ny navaliny: Izaho. 12 Dia hoy Manoe: Amin'izao àry rahefa tanteraka ny teninao, inona no tsy maintsy tandremany momba izany zaza izany, ary inona no tsy maintsy hatao ho azy? 13 Ka hoy ny navalin'ilay anjelin'ny Tompo an'i Manoe: Hifady izay rehetra voalazako taminy ravehivavy; 14 tsy hihinana na inona na inona rahefa mety ho zavatra avy amin'ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto: ho tandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy. 15 Dia hoy Manoe tamin'ilay anjelin'ny Tompo: Aoka re mba hohazoninay hianao sy hanamboaranay zanak'osy. 16 Ary hoy ny navalin'ilay anjelin'ny Tompo tamin'i Manoe: Na dia tànanao aza aho dia tsy hihinana amin'izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an'ny Tompo hianao, dia atero izany. Tsy nahalala Manoe fa ilay anjelin'ny Tompo io. 17 Ka hoy Manoe tamin'ilay anjelin'ny Tompo: Iza moa no anaranao; mba hanomezanay voninahitra anao, rahefa tanteraka ny teninao? 18 Ary hoy ny navalin'ilay anjelin Íaveh azy: Ahoana no anontanianao ahy ny anarako? Mahagaga no izy. 19 Dia nalain'i Manoe ny zanak'osy sy ny fanatitra ka nateriny ho an'ny Tompo teo ambonin'ny vatolampy; ary nanao fahagagana Iaveh raha mbola nijery teo Manoe sy ny vadiny. 20 Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin'ny otely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin'ny lelafon'ny otely ilay anjelin'ny Tompo. Raha nahita izany Manoe mivady dia lavo niankohoka tamin'ny tany. 21 Ary tsy niseho tamin'i Manoe mivady intsony ilay anjelin'ny Tompo. Izay vao fantatr'i Manoe fa ilay anjelin'ny Tompo iny. 22 Ka hoy Manoe tamin'ny vavy: Ho faty izao isika fa efa nahita an'Andriamanitra. 23 Fa hoy ny navalin'ny vavy taminy: Raha ny hahafaty antsika no tian'ny Tompo dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin'ny tànantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao. 24 Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsona no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin'ny Tompo.

25 Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan'i Saraà sy Estaola ny fanahin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1038