Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-15

1 Nony afaka kelikely, tamin'ny fotoam-pijinjam-bary dia nandeha hamangy ny vadiny Samsona, nitondra zanak'osy anankiray ka nanao hoe: Te-hiditra ao amin'ny vadiko ao an'efitranony aho. Fa tsy navelan-drainy hiditra izy. 2 Fa hoy rainy taminy hoe: Nataoko fa halanao izy, ka nomeko ny sakaizanao. Ary moa tsy ny zandriny aza no tsara noho izy? Ka io no aoka ho vadinao ho solony. 3 Ka hoy Samsona taminy: Izao vao tsy hanan-tsiny amin'ny Filistina aho raha minisy ratsy azy. 4 Dia lasa Samsona nisambotra amboahaolo telon-jato sy naka fanilo. Nampifamatorany ny rambon ny amboahaolo, ka nasiany fanilo iray eo anelanelan'ny rambony roa, eo afovoany. 5 Dia nampirehetiny ny fanilo, ary nalefany hankany amin'ny varin'ny Filistina ny amboahaolo, ka nandoro ny vary efa amboarany sy mbola an-tahony ary hatramin'ny voly oliva aza. 6 Dia hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ka nisy namaly hoe: Samsona, vinanton'ilay Tamnaana; fa nalain'io taminy ny vadiny ka nomeny ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy mbamin'ny rainy. 7 Hoy Samsona tamin'izy ireo: Izany ve no ataonareo? Tsy maninona, fa tsy hijanona kosa aho, raha tsy nahavaly faty anareo. 8 Dia nasiany mafy tokoa ireo tsy nitondrany roa; dia nidina izy ary nitoetra tao amin'ilay zohy amin'ny vatolampin'i Etama. 9 Tamin'izay dia niakatra ny Filistina, nitoby teo amin'i Jodà, niely tany Lekia. 10 Ka hoy ny lehilahy amin'i Jodà: Ahoana no iakaranareo hamely anay? Ary hoy ny navaliny: Hamatotra an'i Samsona no niakaranay mba hanaovanay aminy toraky ny nataony taminay. 11 Nidina ny lehilahy telo arivo tamin'i Jodà nankany amin'ilay zohy amin'ny vatolampin'i Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fanatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay? Ary hoy ny navaliny azy ireo: Toraky ny nataony tamiko ihany no mba nataoko taminy kosa. 12 Hoy izy ireo taminy: Ny hamatotra anao no nidinanay, mba hanoloranay anao eo an-tànan'ny Filistina. Ka hoy Samsona tamin'izy ireo: Mianiàna àry fa tsy mitady hamono ahy hianareo. 13 Dia namaly azy izy nanao hoe: Tsia, fa ny hamatotra anao sy hanolotra anao eo an-tànan'izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay. Dia nafatony tamin'ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin'ialy vatolampy. 14 Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain'ny Filistina tamim-panakorana. Fa notsindrian'ny Fanahin'ny Tompo kosa Samsona tamin'izay, ka ny mahazaka tamin'ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main'ny afo, ary ny fatorana tamin'ny tànany nivotsotra; 15 ary nahita valanoranon'ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tànany nandray an'izay, ka nahafaty arivo lahy taminy. 16 Ka hoy Samsona hoe: Valanoranon'ampondra iray no namazambazanako an'ireny; Valanoranon'ampondra iray no nahafatesako arivo lahy. 17 Nony nitsaha-niteny izy, ilay valanorano natsipiny avy teny an-tànany, io toerana io nomeny anarana hoe Ramata-Lekia. 18 Ary main'ny hetaheta Samsona, ka nitalaho tamin'ny Tompo nanao hoe: Hianao no nanoma izao famonjen-dehibe izao, tamin'ny tànan'ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin'ny hetaheta va aho sy ny ho latsaka eo an-tànan'ny tsy mifora? 19 Fa nampitresahin'Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano, ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharana io hoe En-Hakore, izay mbola any Lekia mandrak'androany. 20 Roapolo taona no nitsaran'i Samsona an'Israely tamin'ny andron'ny Filistina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0386