Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-16

1 Ary nankany Gazà Samsona ka nahita vehivavy janga tao, dia niditra tao aminy.

2 Nilazana ny mponina tao Gazà fa hoe: Tonga ao Samsona, ka nanemitra an'i Samsona izy ireo; ary nanotrika tao am-bavahadin'ny tanàna nandritra ny alina. Nipetraka tsy nihetsiketsika izy ireo iny alina tontolo iny fa hoy izy: Aoka aloha mandrapangiran'ny andro maraina, dia hovonointsika izy. 3 Nandry Samsona mandra-pisasaky ny alina. Nony nisasaka ny alina dia nifoha izy, ka nalainy ny lela varavaran'ny tanàna mbamin'ny tolanany roa, nongotany mbamin'ny hidiny, dia nantsorohiny, nentiny nakany an-tampon'ny tendrombohitra mitodika an'i Hebrona. 4 Taorian'izany dia vehivavy anankiray, tany an-dohasahan'i Soreka no tiany. Dalilà no anarany.

5 Ka niakatra nankany aminy ireo filohan'ny Filistina, nanao taminy hoe: Tambatambazo izy, hahalalanao izay itoeran'ny heriny lehibe, sy izay hahazoanay mandresy azy, mba hamatoranay azy, sy hamolahanay azy, fa samy hanome anao vola azo amby arivo sikla avy izahay rehetra. 6 Dia hoy Dalilà tamin'i Samsona: Mihanta aminao aho, lazao amiko kely izay itoeran'ny herinao lehibe, sy izay tokony hamatorana anao, mba hahafolaka anao. 7 Ary hoy Samsona taminy: Raha mahazaka fito vaovao tsy mbola maina, no amatorana ahy, dia osa sy sahala amin'ny olon-kafa aho. 8 Dia nitondran'ireo filohan'ny Filistina mahazaka fito vaovao, tsy mbola maina, Dalilà, ka nofatorany tamin'ireo izy. 9 Ary efa nasiany olona nanotrika ao an'efitranony, dia hoy izy taminy hoe: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Notapahany anefa ny mahazaka ka nirarak'ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan'afo. Dia tsy fantatra izay niafenan'ny heriny. 10 Ary hoy Dalilà tamin'i Samsona: Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany hianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.

11 Dia hoy izy taminy: Raha mahazaka vaovao, tsy mbola nampiasaina akory no amatorana hy, dia hanjary osa sy sahala amin'ny olon-kafa ihany aho. 12 Koa nalain'i Dalilà ny mahazaka vaovao namatorany azy, dia hoy izy taminy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Ary efa misy olona manotrika ao an'efitranony. Ary notapahana hoatra ny fanapaka singan-kofehy ny mahazaka tamin'ny sandriny. 13 Hoy Dalilà tamin'i Samsona: Namazivazy ahy foana hianao hatramin'izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy. Dia hoy izy taminy: Izao ihany; tenomy hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako. 14 Dia naompan-dravehivavy tamin'ny fàntaka ireny. Rahefa izany dia hoy izy taminy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona? Taitra tamin'ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana mbamin'ny tenona. 15 Ka hoy ravehivavy taminy: Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako hianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo hianao izay no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran'ny herinao lehibe.

16 Dia nitory kisina taminy isan'andro teo izy sy nanorisory azy tamin'ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy: 17 ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho. 18 Hitan'i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan'ny Filistina izy, sy nampilaza tamin'izy ireo hoe: Miakara amin'izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ireo filohan'ny Filistina, samy nanao an-tànana ny volany. 19 Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohan'i Samsona dia niantomboka tamin'izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny. 20 Ka hoy izy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Dia taitra tamin'ny torimasony izy, ka nanao hoe: Ho afaka amin'izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka; satria tsy fantany fa efa niala taminy Iaveh. 21 Nisambotra azy kosa ny Filistina sy namotsitra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin'ny gadra varahina roa mikambana. Nampiodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy. 22 Nefa efa nanomboka naniry indray ny volon'i Samsona, hatrizay nanaratana azy.

23 Nivory ireo filohan'ny Filistina hanolotra sorona lehibe amin'ny Dagòna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tànantsika Samsona fahavalontsika. 24 Nahita azy ny vahoaka ka nidera ny andriamaniny izy ireo nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tànantsika ilay fahavalontsika izay nanimba ny tanintsika sy nahafaty be tamintsika. 25 Nony injay efa revon-kafaliana ny fon'izy ireo, dia hoy izy: Ampanalao Samsona hampilalao antsika. Dia nalaina tany an-tranomaizina Samsona, ka nandihy teo anatrehan'izy ireo. Teo anelanelan'ny andry izy no napetraka. 26 Ary hoy Samsona tamin'ilay zatovo nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry manohana ny trano sy hiankina aminy. 27 Feno lehilahy sy vehivavy ny trano, tao avokoa ireo filohan'ny Filistina; tany ambonin'ny tafo koa nisy olona sahabo ho telo arivo, na lahy na vavy, izay nijery an'i Samsona nandihy. 28 Dia niantso an'ny Tompo Samsona ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, mihanta aminao aho, tsarovy re aho, ka omeo hery amin'ity indray mandeha ity monja, ry Andriamanitra ô, mba hamaliako ny Filistina amin'ny indray mitoraka ihany, noho ny amin'ny masoko roa. 29 Dia nobedain'i Samsona ny andry roa afovoany nanohana ny trano, ka nitehika mafy taminy izy; ny tànany havanana tamin'ny anankiray ary ny tànany havia tamin'ny anankiray. 30 Ary hoy Samsona hoe: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho! Sady niezaka mafy niondrika izy, ka nirodana tamin'ny andriana amam-bahoaka rehetra tao ny trano. Ary be no matiny tamin'ny nahafatesany noho ny novonoiny fony fahavelony. 31 Dia nidina ny rahalahiny mbamin'ny mpanakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan'i Saraà sy Estaola, amin'ny fasan'i Manoe rainy. Roapolo taona no nitsarany an'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373