Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-17

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Mikasy avy amin'ny tendrombohitr'i Efraima,

2 nilaza tamin-dreniny hoe: Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain'olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren'ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tànako izany vola izany, izaho no naka. Ary hoy reniny: Hotahin'ny Tompo anie ny zanako. 3 Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy reniny: Ny tànako no manolotra izany vola izany amin'ny Tompo, mba ho an'ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy. 4 Rahefa voaveriny tamin-dreniny ny vola, dia nangalan-dreniny roan-jato sikla, nomeny ny mpanao anidina, ka nanaovany sarin-javatra voasokitra sy zavatra anidina, ary natao tao an-tranon'i Mikasy ireny. 5 Fa nanana tranon'Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efoda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin'ny zanany lahy dia natokany nataony ho mpisorony. 6 Tsy nisy mpanjaka tamin'Israely tamin'izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo. 7 Ary nisy zatovolahy anankiray, avy any Betleema any Jodà, avy amin'ny fokon'i Jodà, Levita izy io, ray nitoetra tao amin'izany tany izany.

8 Niala tao Betleema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima sy tao an-tranon'i Mikasy. 9 Ary hoy Mikasy taminy: Avy aiza moa hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Levita avy any Betleema any Jodà aho, fa mivahiny aho hahitako toerana hipetrahako. 10 Dia hoy Mikasy taminy: Mitoera aty amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko hianao, fa homeko volafolo sikla isan-taona, mbamin'ny fitafiana ilainao sy ny sakafo. Dia niditra ilay Levita. 11 Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin'io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin'ny zanany ilay tovolahy. 12 Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon'i Mikasy. 13 Ary hoy Mikasy hoe: Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy Iaveh satria manana an'ity Levita ho mpisorona aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0383