Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-2

11 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely, fa nanompo ireo Baala.

12 Nafoiny Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin'ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an'ny Tompo izy ireo. 13 Fa Iaveh nilaozany, ary Baala sy ny Astarte notompoiny. 14 Dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka natolony ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.

15 Izay nalehany namelezan'ny tànan'ny Tompo hampahory azy avokoa, araka ny efa voalazan'ny Tompo, araka ny nianianan'ny Tompo taminy rahateo, ka dia azon'ny fahoriana mafy izy. 16 Nanangana mpitsara ihany Iaveh hanafaka azy ireo tamin'izay nandroba azy; 17 nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-tena tamin'ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan'ireny. Nalaky nivily izy tamin'ny làlana nomban'ny razany, izay nitandrina ny didin'ny Tompo; tsy nanao tahaka izany izy. 18 Nony nanangana mpitsara ho azy ireo Iaveh, dia nomban'ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin'ny tànan'ny fahavalony, tamin'ny andro rehetra iainan'ny mpitsara; satria nalahelo Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan'ireo nampahory sy nampijaly azy.

19 Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin'ny hadisoany amam-pikiribibiany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1248