Bokin'i Nahoma

Toko faha-2

1 Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.

2 Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny làlana, hatanjaho ny valahanao, angony ny herinao rehetra!

3 Fa Iaveh mampody ny voninahitr'i Jakoba, mbamin'ny voninahitr'Israely, satria norobain'ny mpandroba izy, sady nosimbany ny foto-boalobony.

4 Voaloko mena ny ampingan'ny mpiadiny, miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany: mitranga ny kalesiny eo anatin'ny vy manjelanjelatra, amin'ny andro iomanany hiady, ary ny lefony mandihindihy.

5 Eny amin'ny arabe ny kalesiny miriotra mifofofofo; miezaka faingana eny amin'ny kianja, hoatra ny lelafo no fijery azy, toy ny tselatra mitsoriaka.

6 Mahatsiahy ny olo-malazany izy; tafintohina eny am-pandehanana ireny; miezaka ho amin'ny manda izy ireo: mivonon-kiaro tena ny olona.

7 Mivoha ny vavahadin'ny ony, dia mirodana ny lapa.

8 Efa tanteraka izao, dia nampitanjahana, lasan-ko babo izy io, ka mitoloko ny mpanompovaviny toy ny fitolokon'ny voromailala; mandondon-tratra izy ireo.

9 Toy ny dobo Niniva hatrizay niandohany... Mandositra izy ireo!.. Mijanòna e! Mijanòna e!... nefa tsy misy miherika!

10 Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin'ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.

11 Foana, voaroba, tankina! Kivy ny fo, mangovitra ny lohalika, mitapitapin'ny fiahiana mafy ny valahana rehetra, mivaloarika avokoa ny tarehy.

12 Aiza no misy ny lavak'ireo liona, izay fitoerana ifahanan'ny liona tanora, izay nieren'ny lion-dahy aman-diom-bavy sy ny zana-diona, sady tsy misy manaitaitra azy?

13 Ilay liona nifaoka izay nilain'ny zanany, nanakenda ho an'ny liom-baviny, nameno haza ny lavany, sy toha, ny zohiny.

14 Inty aho izao manohitra anao! - teny marin'ny Tompo'ny tafika; hampanjariko setroka ny kalesinao; holevonin'ny sabatra, ny liona tanoranao: hoesoriko amin'ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0385