Bokin'i Nehemia

Toko voalohany

1 Tenin'i Nehemia zanak'i Helkiasa. Tamin'ny volana Kasleo, taona faha-roapolo, raha tao an-dapa, tany Sosa aho,

2 dia ity tonga Hananì, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany aty tany Jodà. Nanontaniako azy ireo, ny amin'ny Jody efa afaka, dia izay nitsoaka tamin'ny fahabahoana, sy ny amin'i Jerosalema. 3 Ka izao no navaliny ahy: Lalina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin'ny fahababoana, any amin'ny ambanivohitra any; ny mandan'i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon'ny afo. 4 Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany sy nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra aho,

5 nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, hianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin'izay tia anao sy mitandrina ny didinao anie, 6 hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman'alina ho an'ny zanak'Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan'ny zanak'Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko. 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, fa tsy nitandrina ny didy, ny lalàna amam-pitsipìka nandidianao an'i Moizy mpanomponao. 8 Tsarovy ilay teny nasainao nolazain'i Moizy mpanomponao nataonao hoe: Raha mandika ny didiko hianareo, dia haeliko any amin'ny firenena; 9 nefa raha miverina amiko hianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny vaosesi-tany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin'ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny anarako. 10 Mpanomponao sy vahoakanao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tànanao mahery izy ireo. 11 Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin'ny vavak'ity mpanomponao hianao, sy amin'ny vavak'ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason'io lehilahy io. Mpandroso divain'ny mpanjaka aho fahizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0483