Bokin'i Nehemia

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany, dia nisy namaky teny tao amin'ny bokin'i Moizy mba ho ren'ny vahoaka; ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra, na oviana na oviana, ny Amonita sy ny Moabita,

2 satria tsy mba nitsena ny zanak'Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an'i Balaama hanozona azy, saingy nampodin'Andriamanitra ho tso-drano ny ozona. 3 Nony ren'ny olona izany lalàna izany, dia navahana hiala tamin'Israely ny olon-kafa firenena rehetra. 4 Talohan'izany, Eliasiba mpisorona, izay mpitandrina ny efi-tranon'Andriamanitsika, sy tonga havan'i Tobia,

5 efa nanamboatra ho an'io, efitrano anankiray lehibe, nitehirizana talohan'izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon'ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an'ny levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an'ny mpisorona. 6 Tsy tao Jerosalema aho, fony nisy izany rehetra izany, satria tamin'ny taona faharoa amby teloplo nanjakan'i Artakserksesa, mpanjakan'i Babilona, dia niverina tany amin'ny mpanjaka aho. Ary afaka andro vitsivitsy, 7 nahazo làlana tamin'ny mpanjaka hiverina ho any Jerosalema aho, ka izay vao nahita ity ratsy nataon'i Eliasiba, ho fankasitrahana an'i Tobia, fa nanamboatra efitrano ho azy, tao anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra. 8 Tsindrian'ny alahelo lehibe aho tamin'izany, ka natsipiko tany ivelan'ny efitrano ny fanaka rehetra tao amin'ny fonenan'i Tobia. 9 Rahefa izay, nasaiko nodiovina ny efitrano, ary naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, mbamin'ny fanatitra sy ny emboka. 10 Reko koa fa tsy voaloa ny anjaran'ny levita, ary efa samy nitsoaka ho any amin'ny taniny avy ny levita sy ny mpihira niandraikitra ny fanompoana.

11 Noteneniko mafy ny andriambaventy, nataoko hoe: Nahoana no dia nilaozana ity tranon'Andriamanitra? Dia novoriko ny levita sy ny mpihira, ka napetrako teo amin'ny zara toerany avy. 12 Izay, Jodà rehetra, vao nitondra ho ao an-trano fitehirizana ny fahafolon'ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo. 13 Ary notendreko ho mpitandrina ny trano fitehirizana Selemiasa mpisorona, Sadaoka mpanora-dalàna, Fadaiasa, anankiray tamin'ny levita; ary nataoko mpanampy an'ireo Hanàna zanak'i Zakora, zanak'i Mataniasa, fa ireo no hita toetra ho mahatoky. Azy ireo ny mizara ho an'ny rahalahiny. 14 Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitro ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavaka nataoko momba ny tranon'Andriamanitra sy amin'ny fanompoana fanao ao.

15 Tamin'izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin'ny famiazam-boaloboka, tamin'ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin'ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin'ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.

16 Nisy Tiriana nonina tao Jerosalema koa nitondra hazandrano sy entam-barotra isan-karazany, namidiny tamin'ny taranak'i Jodà sy tao Jerosalema, tamin'ny andro sabata. 17 Noteneniko mafy ny lehibe amin'i Jodà, nataoko hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao? 18 Tsy toy izao indrindra va no nataon'ny razanareo, ka nampidiran'Andriamanitra izao loza manjo antsika sy ity tanôna ity izao? Ary inty indray hianareo manampy ny hatezerany amin'Israely, amin'ny fandotoana ny sabata! 19 Taorian'izany, nony efa maizimaizina ny teo amin'ny fidirana ho ao Jerosalema, alohan'ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata. Fanampin'izany, napetrako teo am-bavahady ny oloko sasany, mba tsy hisy hampidirana amin'ny andro sabata ny entana rehetra. 20 Tamin'izay, tafandry tany ivelan'i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto amam-pivarotra, 21 ka noteneniko izy ireo nataoko hoe: Ahoana no andrianareo eto anoloan'ny manda? Raha mbola manao izany hianareo, dia hosamboriko. Hatramin'izay andro izay, dia tsy tonga tamin'ny sabata intsony izy ireo. 22 Ary nasaiko nanadio ny tenany ny levita, sy ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasina ny andro sabata. Tsarovy noho izany koa aho, ry Andriamanitro o, ary tsimbino araka ny haben'ny famindram-ponao aho. 23 Tamin'izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina tao aminy vehivavy Azotiana, Amonita, Moabita.

24 Ny antsasaky ny zanak'ireo nanao teny azotiana, fa tsy nahay teny jodeana; tahaka izany koa ny amin'ny fitenin'ny vahoaka hafa sasany. 25 Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin'izy ireo aho, tamin'ny anaran'Andriamanitra, nanao hoe: Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin'ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin'ny zanakareo lahy, na ho vadinareo. 26 Moa tsy izao indrindra va no nanotan'i Salomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin'ny firenena maro; tian'Andriamaniny izy; nataon'Andriamanitra mpanjaka amin'Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin'ireo vehivavy hafa firenena ho amin'ny fahotana. 27 Ka moa tokony ho re akory va, fa hianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin'Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena! 28 Ny iray amin'ny zanak'i Joiadà, zanak'i Eliasiba mpisorona lehibe, dia vinantolahin'i Sanabalata, ka noroahiko hiala teo amiko.

29 Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitro ô, ny amin'ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin'ny mpisorona sy ny levita!

30 Dia voadioko ho afaka amin'ny hafa firenena rehetra izy ireo, ary novelomiko indray ny lalàna momba ny mpisorona sy ny levita, samy amin'ny raharahany avy,

31 mbamin'ny momba ny fanaterana kitay hazo ara-potoana voafetra, ary ny amin'ny voaloham-bokatra. Tsarovy izany hanasoavana ahy, ry Andriamanitro ô, mba ho soa ho ahy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2468