Bokin'i Nehemia

Toko faha-4

1 Nisafoaky ny hatezerana avokoa anefa Sanabalata, Tobia, ny Arabo, ny Amonita, ary ny Azotiana, nony nandre fa hoe mandroso ny fanamboarana ny manda, ary efa mitampina miandalandalana ny banga,

2 ka niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema sy hanabataba azy. 3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitray izahay, sady nametraka mpiambina andro aman'alina, hanohitra azy sy hiaro-tena aminy mba hisorohanay ny famelezany. 4 Hoy anefa Jodà: Tsy ampy hery ny mpitondra entana fa be ny korontan-javatra, ka tsy haharafitra ny manda izahay. 5 Ny fahavalonay koa nanao hoe: Tsy hahalala ireo na hahita, raha tsy efa tonga eo afovoany isika, ka dia hamono azy sy hampitsahatra ny asa. 6 Kanjo nony tonga ireo Jody nonina tao akaikiny dia nampandre anay impolo na avy aiza na avy aiza no ihavian'ny fahavalo hamely anay. 7 Ka dia natokotokoko ara-pianakaviana ny vahoaka, samy nitondra ny sabany sy ny lefony aman-tsipìkany, ho any ivohon'ny manda, amin'ny ilany iva indrindra, amin'ny toerana tsy misy manakontakona. 8 Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin'ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra eo anatrehan'ireny hianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo. 9 Nony ren'ny fahavalonay fa efa nahalala izahay, sy efa nofoanan'Andriamanitray ny heviny, dia niverina ho any amin'ny manda izahay rehetra, samy nankany amin'ny asany avy.

10 Hatramin'izay andro izay dia ny antsasaky ny oloko ihany no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona aman'ampinga sy tsipìka aman'akanjo fiarovan-tratra, ary ny filohany dia samy teo ivohon'ny fianakavian'i Jodà rehetra.

11 Amin'ireo nanao ny manda, ny sasany, dia izay nitondra entana sy nivesatra azy, nanao ny asa tamin'ny tanany an'ila sy nitam-piadiana tamin'ny tanany an'ila. 12 Ny sasany, dia izay nandrafitra, samy nanana ny sabany voafehy tamin'ny valahany avy, teo am-pandrafetana; ny mpitsoka trompetra tsy niala teo akaikiko. 13 Dia hoy aho tamin'ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa: Lehibe ity ny asa, sady amin'ny tany malalaka; ka tafaely eny amin'ny manda sy tafasaraka be ihany isika rehetra. 14 Koa na aiza na aiza no andrenesanareo ny feon'ny trompetra dia mivoria eto aminay hianareo, fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. 15 Dia nanao ny asa izahay; ny antsasany taminay nitan-defona hatramin'ny mazava atsinanana ka mandra-piposaky ny kintana. 16 Tamin'izany andro izany, hoy koa aho tamin'ny vahoaka: Samia mandry eto Jerosalema, miaraka amin'ny mpanompony avy, mba hiambina antsika mandritra ny alina, sy hiasa mandritra ny andro. 17 Fa na izaho, na ireo rahalahiko, na ny oloko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia tsy nisy niala akanjo; handro tokana matoa nanala azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821