Bokin'i Nehemia

Toko faha-5

1 Velon-taraina mafy ny sarababem-bahoaka mbamin'ny vadiny, noho ny amin'ireo Jody rahalahiny.

2 Hoy ny sasany: Maro izahay, mbamin'ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ka aoka handray vary hohaninay ka ho velona izahay. 3 Hoy koa ny sasany: Ataonay antoka ny taninay mbamin'ny tanimboalobokay sy ny tranonay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary. 4 Hoy koa ny hafa: Ny taninay aman-tanimboalobokay izao, efa nataonay antoky ny vola nosamborinay handoavana ny hetran'ny mpanjaka. 5 Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin'ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin'ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan'ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay. 6 Loza ny hatezerako nony nandre ny fitarainan'izy ireo, sy izany teny izany.

7 Nony nieritreritra aho anakampoko, dia ireo lehibe aman'andriambaventy no nanariko mafy sy nataoko hoe: Mampanjanaka vola hianareo izany, samy amin'ny rahalahiny avy! Koa nanao fivorian-dehibe noho ny amin'izy ireo aho, 8 dia nilaza taminy hoe: Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin'ny firenena araka ny anananay, ka hianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay! Gina tsy nahita havaly izy ireo. 9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana an'Andriamanitsika va hianareo, mba tsy ho voan'ny fanaratsian'ny firenena fahavalontsika? 10 Izaho mbamin'ireo rahalahiko sy ny mpanompoko koa, efa samy nampisambotra taminy vola sy vary. Ka andeha isika samy hamoy izany trosa izany. 11 Anio ihany dia samia mamerina ny tanin'izy ireo, ny tanimboalobony, ny fototr'olivany, ny tranony, ary ny ampahazaton'ny vola mbamin'ny divay vaovao aman-diloilo nasainareo haloany ho zana-bola. 12 Ka izao no navalin'izy ireo: Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao. Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony. 13 Ka sady nanakopaka ny kapaotiko aho no nilaza hoe: Hakopak'Andriamanitra toy izao anie ny olona rehetra tsy mahatanteraka izany teny izany, ho eo ivelan'ny tranony amam-pananany, ka dia ho voakopaka sy ho avela tsy manana na inona na inona izy. Dia indray namaly ny fiangonana nanao hoe: Amena, sady nidera an'Andriamanitra; ary notanterahin'ny vahoaka tokoa izany teny izany. 14 Hatramin'ny andro nametrahan'ny mpanjaka ahy ho governora teo amin'ny tanin'i Jodà, izany hoe: hatramin'ny taona faharoapolo, ka hatramin'ny taona faharoa amby telopolo nanjakan'i Artakserksesa, dia nandritra ny roa ambin'ny folo taona, tsy mba nihinana ny mofon'ny governora, na izaho na ireo rahalahiko.

15 Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan'ny volafotsy efapolo sikla; hatramin'ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an'Andriamanitra. 16 Mainka fa nimasoako ny fanamboarana io manda io; tsy mba nividy tany akory izahay, fa vory nihohoka teo amin'ny asa avokoa ny oloko. 17 Ny nihinana eo amin'ny latabatro dia dimampolo amby zato lahy, Jody sy andriambaventy, afa-tsy izay tonga ao aminay, avy amin'ny firenena manodidina. 18 Ka izao no natokana isan'andro: omby iray, ondry voafantina enina, ary vorona no nahandroina, ka izaho no nandoa ny lany; isan-kafoloana koa namononana ny divay ilaina natao betsaka. Na dia izany aza anefa, tsy mba nitaky ny mofon'ny governora aho, satria efa mavesatra loatra tamin'izany vahoaka izany ny asa nataony. 19 Tsarovy, ry Andriamanitra ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an'izany vahoaka izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1771