Bokin'i Nehemia

Toko faha-8

1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin'ny tanànany avy ny zanak'Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano. Ary efa nilazan'izy ireo Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Moizy, izay nandidian'ny Tompo an'Israely.

2 Ka nentin'i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan'ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan'ny volana fahafito tamin'izay. 3 Novakiny teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano, hatramin'ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin'ny lalàna avokoa ny vahoaka. 4 Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao an-kavanany, Matatiasa, Semeiasa, Aniasa, Oria, Helkiasa, Maasiasa; teo an-kaviany, Fadaiasa, Misaela, Melkiasa, Hasoma, Hasbadanà, Zakaria, Mosolama. 5 Dia nosokafan'i Esdrasa teo imason'ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin'ny vahoaka rehetra izy, ary rahefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra. 6 Nisaotra an'ny Tompo Andriamanitra lehibe Esdrasa, dia nanandra-tànana ny vahoaka rehetra namaly hoe: Amena, Amena! Sady niondrika sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo izy ireo. 7 Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, Josoe, Banì, Sarabiasa, Jamina, Akoba, Septaì, Odiasa, Maasiasa, Kelità, Azariasa, Jozabeda, Hanàna, Falaiasa, mbamin'ny levita; ka samy nijanona teo amin'ny fitoerany ny olona. 8 Novakiny mazava ny boky, dia ny lalàn'Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakina. 9 Ary Nehemia, governora, Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin'ny levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin'ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Andro masina ho an'ny Tompo Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso. Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin'ny lalàna.

10 Dia hoy koa Nehemia tamin'ireo: Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an'ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin'ny Tompo no herinareo. 11 Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe: Mangina hianareo fa masina ity andro ity ka aza malahelo. 12 Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an'ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo. 13 Ny andro faharoa dia nivory teo amin'i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian'ny vahoaka rehetra, mbamin'ny mpisorona sy ny levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin'ny lalàna.

14 Ka hitan'izy ireo voasoratra ao amin'ny lalàna izay nandidian'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy, fa tsy maintsy mitoetra an-trano lay ny zanak'Israely, mandritra ny fety amin'ny volana fahafito, 15 sy tsy maintsy manao fiantsoana am-pahibemaso ao amin'ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: Mankanesa any an-tendrombohitra hianareo dia mitondrà sampan'oliva, sampan'oliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra. 16 Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao trano lay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra, teo amin'ny kianjan'ny vavahadin'i Efraima. 17 Samy nanao trano lay sy nipetraka tao anatin'ny trano lay avokoa ny fiangonan'izay niverina avy any amin'ny fahababoana. Tsy mbola nahavita zavatra hoatra izany ny zanak'Israely, hatramin'ny andron'i Josoe zanak'i Nona ka hatramin'io andro io. Ka nisy fifaliana lehibe indrindra tamin'izay. 18 Namakiana isan'andro ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin'ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1857