Bokin'i Nehemia

Toko faha-8

2 Ka nentin'i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan'ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan'ny volana fahafito tamin'izay. 3 Novakiny teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano, hatramin'ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin'ny lalàna avokoa ny vahoaka. 4 Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao an-kavanany, Matatiasa, Semeiasa, Aniasa, Oria, Helkiasa, Maasiasa; teo an-kaviany, Fadaiasa, Misaela, Melkiasa, Hasoma, Hasbadanà, Zakaria, Mosolama. 5 Dia nosokafan'i Esdrasa teo imason'ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin'ny vahoaka rehetra izy, ary rahefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra. 6 Nisaotra an'ny Tompo Andriamanitra lehibe Esdrasa, dia nanandra-tànana ny vahoaka rehetra namaly hoe: Amena, Amena! Sady niondrika sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo izy ireo. 8 Novakiny mazava ny boky, dia ny lalàn'Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakina. 9 Ary Nehemia, governora, Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin'ny levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin'ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Andro masina ho an'ny Tompo Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso. Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin'ny lalàna.

10 Dia hoy koa Nehemia tamin'ireo: Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an'ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin'ny Tompo no herinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0607