Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 12
Toetry ny olo-marina - Toetry ny ratsy fanahy - Fahotan'ny vava.

       1 Izay tia fampianarana tia fahaizana;
fa izay manda anatra, adala.
       2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'Iaveh;
fa ny mpanao an-kasomparana, helohin'Iaveh.
       3 Tsy ny haratsiam-panahy no nampiorina mafy ny olona;
fa ny fakan'ny marina tsy ho voahetsiketsika.
       4 Ny vehivavy tsara fanahy, satro-boninahitry ny lahy;
fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin'ny taolany.
       5 Ny rariny no fihevitry ny marina;
fa ny fitaka no fieritry ny ratsy fanahy.
       6 Fandrika mahafaty, ny tenin'ny ratsy fanahy;
fa vonjy ho azy kosa, ny vavan'ny olo-mahitsy fo.
       7 Vao mihodina indray mandeha ny ratsy fanahy, dia tsy eo intsony;
fa mijoro hatrany kosa, ny ankohonan'ny marina.
       8 Araka ny haben'ny fahalalany, no anombanana ny olona;
nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.
       9 Aleo olona ambany toetra, ampy amin'izay ilainy;
toy izay be voninahitra tsy manan-kohanina.
       10 Ny marina mitsimbina ny amin'ny bibiny;
fa ny kibon'ny ratsy fanahy kosa, masiaka.
       11 Izay miasa ny taniny, ho voky hanina;
fa izay manenjika zava-poana, no adala foana.
       12 Ny ratsy fanahy maniry ny rembin'ny ratsy fanahy,
fa ny fakan'ny marina kosa, mahavokatra.
       13 Misy fandrika mandoza, amin'ny fahotan'ny molotra;
fa ny marina afa-miala amin'ny fahoriana.
       14 Ny vokatry ny vavan'ny olona, no hamoky soa azy;
ary araka ny asan-tanany avy, no hatsingerina aminy.
       15 Ny lalan'ny adala mahitsy eo imasony;
fa ny torohevitra kosa no henoin'ny hendry.
       16 Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin'izay;
fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.
       17 Izay milaza ny marina dia milaza ny mety;
fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.
       18 Mandratra toy ny sabatra izay miteny an-tsapatsapaka
fa mampahazo fahasitranana kosa, ny lelan'ny hendry.
       19 Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay;
fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
       20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy;
fa hafaliana kosa no ho an'izay manoro fihavanana.
       21 Ny marina tsy mba iharan-doza;
fa ny ratsy fanahy tsindrian'ny loza.
       22 Halan'Iaveh ny molotra mandainga;
fa ny manaraka ny marina no ankasitrahany.
       23 Ny olo-malina manafina ny fahaizany;
fa ny fon'ny adala manely ny fahadalany.
       24 Ny tanana velom-pitandremana, hanapaka;
fa ny tanana mipozipozy hampanompoana.
       25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona, mampilofika azy;
fa ny teny soa kosa, mahafaly azy.
       26 Ny marina manoro lalana ny sakaizany;
ny lalan'ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.
       27 Ny kamo tsy mahatono ny hazany akory;
fa ny faharisihana no rakitra soa ho an'ny olona.
       28 Fiainana no eo amin'ny lalan'ny fahamarinana;
ary tsy fahafatesana no eo amin'ny lalana soritany.