Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-12

1 Izay tia fampianarana tia fahaizana; fa izay manda anatra, adala.

2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'ny Tompo; fa ny mpanao an-kasomparana, helohin'ny Tompo.

3 Tsy ny haratsiam-panahy no nampiorina mafy ny olona; fa ny fakan'ny marina tsy ho voahetsiketsika.

4 Ny vehivavy tsara fanahy, satro-boninahitry ny lahy; fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin'ny taolany.

5 Ny rariny no fihevitry ny marina; fa ny fitaka no fieritry ny ratsy fanahy.

6 Fandrika mahafaty, ny tenin'ny ratsy fanahy; fa vonjy ho azy kosa, ny vavan'ny olo-mahitsy fo.

7 Vao mihodina indray mandeha ny ratsy fanahy, dia tsy eo intsony; fa mijoro hatrany kosa, ny ankohonan'ny marina.

8 Araka ny haben'ny fahalalany, no anombanana ny olona; nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.

9 Aleo olona ambany toetra, ampy amin'izay ilainy; toy izay be voninahitra tsy manan-kohanina.

10 Ny marina mitsimbina ny amin'ny bibiny; fa ny kibon'ny ratsy fanahy kosa, masiaka.

11 Izay miasa ny taniny, ho voky hanina; fa izay manenjika zava-poana, no adala foana.

12 Ny ratsy fanahy maniry ny rembin'ny ratsy fanahy, fa ny fakan'ny marina kosa, mahavokatra.

13 Misy fandrika mandoza, amin'ny fahotan'ny molotra; fa ny marina afa-miala amin'ny fahoriana.

14 Ny vokatry ny vavan'ny olona, no hamoky soa azy; ary araka ny asan-tanany avy, no hatsingerina aminy.

15 Ny lalan'ny adala mahitsy eo imasony; fa ny torohevitra kosa no henoin'ny hendry.

16 Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin'izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.

17 Izay milaza ny marina dia milaza ny mety; fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.

18 Mandratra toy ny sabatra izay miteny an-tsapatsapaka fa mampahazo fahasitranana kosa, ny lelan'ny hendry.

19 Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.

20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an'izay manoro fihavanana.

21 Ny marina tsy mba iharan-doza; fa ny ratsy fanahy tsindrian'ny loza.

22 Halan'ny Tompo ny molotra mandainga; fa ny manaraka ny marina no ankasitrahany.

23 Ny olo-malina manafina ny fahaizany; fa ny fon'ny adala manely ny fahadalany.

24 Ny tanana velom-pitandremana, hanapaka; fa ny tanana mipozipozy hampanompoana.

25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona, mampilofika azy; fa ny teny soa kosa, mahafaly azy.

26 Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan'ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.

27 Ny kamo tsy mahatono ny hazany akory; fa ny faharisihana no rakitra soa ho an'ny olona.

28 Fiainana no eo amin'ny lalan'ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin'ny lalana soritany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891