Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-13

1 Ny zanaka hendry vavolombelon'ny fampianaran-drainy; fa ny mpamazivavy tsy mihaino ny fananarana.

2 Ny vokatry ny vavan'ny olona, no itsentsefany ny soa; fa ny irin'ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.

3 Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny; fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.

4 Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka, fa ny fanirian'ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.

5 Ny marina mankahala ny teny mamitaka; ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.

6 Ny fahamarinana miaro ny lalan'ny olo-marina; ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.

7 Misy mody manan-karena, nefa tsy manan'inoninona; misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.

8 Ny harena dia avotr'aina ho an'ny olona; ny malahelo kosa tsy mandre akory izay fandrahonana.

9 Ny fahazavan'ny marina, mamiratra mahafinaritra; fa ny jiron'ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.

10 Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mety toroana no misy fahendrena.

11 Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.

12 Ny fanantenana ela fihavy, mankarary ny fo; fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon'aina.

13 Manary tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa, izay manaja ny didy.

14 Loharanon'aina ny fampianaran'ny hendry; mba ho afaka amin'ny fandriky ny fahafatesana.

15 Vokatry ny saina mandroso fianarana, dia mahate-ho tia; fa ny lalan'ny mpamadika, dia sarotra.

16 Ny olo-malina rehetra miasa amim-piheverana; fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.

17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza, fa ny iraka mahatoky kosa, ahazoam-panasitranana.

18 Fahoriana aman-karena no an'izay manda famaizana; fa omem-boninahitra kosa, izay mandray fananarana.

19 Ny faniriana tanteraka, maharavoravo ny fo; ary ny miala amin'ny ratsy mahatsiravina ny adala.

20 Ny tama-miaraka amin'ny hendry, hiha-hendry; fa ny mivarilena amin'ny adala, hiharatsy.

21 Ny mpanota enjehin-doza; ny marina kosa valian-tsoa.

22 Ny mpanao soa mamela lova ho an'ny zanaky ny zanany; fa ny haren'ny mpanota kosa, voatendry ho an'ny marina.

23 Ny tany voasan'ny mahantra, ahaozan-kanina be; ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.

24 Tsy tia anaka izay mitsitsy ny tsorakazony; fa ny tia azy, mamay azy malaky.

25 Ny marina mihinana sady afa-po tsara; fa ny kibon'ny ratsy fanahy kosa zoin'ny tsy ampy lava.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464