Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 15
1 Ny valin-teny mora, mampitony havinirana;
fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.
2 Ny lelan'ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahate-ho tia,
ny vavan'ny adala miboiboika hadalana.
3 Ny mason'Iaveh, dia amin'ny fitoerana rehetra;
mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 Ny teny mora, dia hazon'aina;
fa ny vava ratsy, mamaky ny fo.
5 Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy;
fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.
6 Harem-be no ao an-tranon'ny marina;
fikorontanana kosa no ao amin'ny fitomboan-karen'ny ratsy fanahy.
7 Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana;
fa tsy mba ny fon'ny adala.
8 Ny soron'ny ratsy fanahy, dia ankahalain'Iaveh;
fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahany.
9 Ny lalan'ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason'Iaveh;
fa ny manaraka ny rariny, no tiany.
10 Famaizana mafy no mihatra amin'izay mivily lalana;
izay mankahala anatra dia ho faty.
11 Ny seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan'Iaveh:
ka mainka ny fon'ny zanak'olombelona!
12 Tsy te-hanarina ny mpamazivavy;
ka tsy manatona ny hendry izy.
13 Ny fo ravoravo, mahamiramiran'endrika,
fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
14 Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana,
fa ny vavan'ny adala mifahana fahadalana.
15 Ratsy avokoa ny andron'ny mijaly,
fa fanasana lava ny fo ravoravo.
16 Aleo ny kely ombam-pahatahorana an'Iaveh,
toy izay ny harem-be omban'ahiahy.
17 Aleo anana ombam-pitiavana;
toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.
18 Ny olo-masiaka manetsik'ady,
ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.
19 Ny lalan'ny kamo, toa fefy tsilo;
ny lalan'ny olo-mahitsy dia voarina tsara.
20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
ny adala kosa maneso ny reniny.
21 Hafaliana ho an'ny olona tsy ampy saina, ny hadalana,
fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.
22 Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana;
fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
23 Fifaliana ho an'ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany;
ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin'izay antonina azy.
24 Ny hendry mizotra lalan'aina miakatra ho any ambony;
mba hivily tsy hankany amin'ny seoly izay any ambany.
25 Ny tranon'ny mpiavonavona, ravan'Iaveh;
fa ny baorina mamaritra ny an'ny mpitondra-tena kosa aoriny mafy.
26 Halan'Iaveh ny hevi-dratsy;
fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.
27 Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany;
fa izay mankahala kolikoly, no ho velona.
28 Ny fon'ny marina, mihevitra izay tokony ho valiany,
fa ny vavan'ny adala mitsaontsaon-dratsy.
29 Lavitra ny ratsy fanahy Iaveh,
fa ny vavaky ny marina, henoiny.
30 Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo;
ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.
31 Ny sofina mihaino anatra mahavonjy,
manana anjara toerana eo amin'ny hendry.
32 Izay manda anatra manamavo ny fanahiny;
fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.
33 Ny fahatahorana an'Iaveh, no fianarana ny fahendrena;
ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.