Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-2

1 Anaka, raha mandray ny teniko hianao, ary mitana ny didiko ao aminao,

2 mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena hianao, ka mampirona ny fonao ho amin'ny fahalalana;

3 eny, raha miantso ny fahamalinana hianao, ka manandra-peo amin'ny fahafantarana,

4 raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy hianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;

5 dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an'ny Tompo, ary ho hitanao amin'izany ny fahalalana an'Andriamanitra.

6 Fa Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin'ny vavany no ivoahan'ny fahaizana amam-pahamalinana.

7 Mitahiry ny fahasambarana ho an'ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an'izay mandeha amin'ny fahalavorariana.

8 Miaro ny sakeli-dalan'ny fahamarinana izy, miambina ny lalan'izay miraiki-po aminy.

9 Amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny, ary ny hitsiny mbamin'ny lalana rehetra ho amin'ny tsara.

10 Rahefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin'ny fanahinao ny fahaizana,

11 dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,

12 mba hanafaka anao amin'ny lalan'ny ratsy fanahy, amin'ny olona manao resaka ratsy,

13 amin'izay miala amin'ny lala-mahitsy, ka mizotra amin'ny lalana maizina;

14 ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany;

15 sakeli-dalana miolikolika no alehany ary lalana miolakolaka no ombany;

16 hanafaka anao amin'ny vehivavy efa an'ny hafa, amin'ny vehivavy efa an'olon-kafa izay manao teny mandrobo,

17 izay mandao ny naman'ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin'ny Andriamaniny;

18 fa efa miraika ho amin'ny fahafatesana izy sy ny tranony, ary mankany amin'ny afobe ny lalany;

19 tsy misy miverina izay rehetra mandeha aminy, tsy misy mahita ny lalan'ny fiainana intsony, na dia iray aza.

20 Dia handeha amin'ny lalan'ny olona tsara fanahy hianao, ary hifikitra amin'ny lalan'ny marina.

21 Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin'ny tany, ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.

22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, ary ny mpivadika hongotana hiala eo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0478