Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-20

1 Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin'izany tsy mba hendry.

2 Sahala amin'ny fieron'ny liona ny fampitahorana avy amin'ny mpanjaka; ka manota amin'ny tenany izay mampatezitra azy.

3 Voninahitra ho an'ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin'ny hatezerana.

4 Tsy mety miasa ny kamo fa hoe ratsy ny andro; ka amin'ny andro fijinjana, hitady izy fa tsy hisy na inona na inona.

5 Rano lalina ny fisainana ao am-pon'ny olona; fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.

6 Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?

7 Handeha amin'ny fahamarinany ny olona marina; sambatra izay zanany mandimby azy!

8 Ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fitsarana dia manafoana ny ratsy rehetra amin'ny fijeriny.

9 Iza no hilaza hoe: Efa nandio ny foko aho, ka afaka madiodio tamin'ny fahotako?

10 Ny vato-mizana samihafa sy ny efah samihafa, dia samy zavatra hankahalain'ny Tompo.

11 Ny zaza dia efa maneho amin'ny fanaony sahady, na ho madio sy mahitsy ny asany, na hanao ahoana.

12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita, dia samy nataon'ny Tompo avokoa.

13 Aza tia torimaso, fandrao tonga mahantra; ahirato ny maso, dia ho voky hanina hianao.

14 Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy; kanjo nony avy eo izy, falifaly ery!

15 Eo ihany ny volamena amam-boahangy betsaka; fa fanaka sarobidy, ny molotry ny hendry.

16 Endaho ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy; tereo izy hanome antoka noho ny amin'ny vahiny.

17 Mamin'ny olona ny hanina azo am-pitaka, nefa amin'ny farany feno fasika ny vavany.

18 Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.

19 Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina; ka ialao tsara rahefa olona miteniteny lava.

20 Raha misy manozona ny ray aman-dreniny, dia ho faty jiro ao anatin'ny aizim-pito.

21 Ny lova malaky azo tam-boalohany, dia tsy arahin-tsodrano any amparany.

22 Aza manao hoe: Hamaly ratsy ny nataony aho; fa manantena an'ny Tompo, dia hamonjy anao izy.

23 Halan'ny Tompo ny vato-mizana samihafa; ary tsy mba tsara ny mizana mandainga.

24 Iaveh no mitarika ny dian'ny olona; ary ataon'izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?

25 Fandrika ho an'ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity; ka efa vita ny voady vao mieritreritra.

26 Ny mpanjaka hendry manafoana ny ratsy fanahy; sy mandefa kodia eo ambonin'ireny.

27 Jiron'ny Tompo, ny fanahin'ny olombelona, maninteraka hatrany anatin'ny fo.

28 Ny fahatsaram-po amam-pahamarinana no miaro ny mpanjaka; ary ny hatsaram-po no anamafisany ny seza fiandrianany.

29 Ny hery no haingon'ny zatovo, ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.

30 Ny kapoka mandrovidrovitra ny nofo, mahasitrana ny faharatsiana; torak'izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937