Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-21

1 Rano mandeha eo an-tanan'ny Tompo ny fon'ny mpanjaka, ka atongilany amin'izay rehetra tiany.

2 Mahitsy eo imason'ny olona ny lalany rehetra, nefa Iaveh ihany no mandanja ny fo.

3 Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason'ny Tompo mihoatra noho ny sorona.

4 Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon'ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.

5 Ny fikasan'ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin'ny ataony dia mosary ihany no azony.

6 Ny rakitra azon'ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an'olona mila faty.

10 Maniry ny ratsy ny fahanin'ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.

11 Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.

12 Dinihin'ny marina ny tranon'ny ratsy fanahy; Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin'ny loza.

13 Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1438