Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-22

1 Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.

2 Mihaona ny mpanana sy ny mahantra, samy asan'ny Tompo, izy roa tonta.

3 Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany, ka voa.

4 Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an'ny Tompo; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.

5 Tsilo amam-pandrika no eny amin'ny lalan'ny ratsy fanahy, fa izay miaro ny fanahiny kosa manalavitra izany.

6 Ampianaro ny zaza ny lalana tokony alehany, dia tsy hiala amin'izany izy, na rahefa antitra aza.

7 Ny manan-karena manapaka ny mahantra; ary ny misambotra mpanompon'ny mpampisambotra.

8 Izay mamafy heloka, hijinja fahoriana, ary ho foana ny tsorakazon'ny fahatezerany.

9 Hambinina ny olona antra fijery, fa anomezany ny mahantra ny mofony.

10 Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana, hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.

11 Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin'ny molony, dia ho sakaizan'ny mpanjaka.

12 Miaro ny fahaizana ny mason'ny Tompo, fa mamaky betroka ny tenin'ny olon-dratsy kosa izy.

13 Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany! Ho vonoin-ko faty eny an-kianja eny aho!

14 Lavaka lalina ny vavan'ny vehivavy an'olon-kafa; izay mahatezitra an'ny Tompo ho latsaka ao.

15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; ny tsorakazon'ny famaizana no hanesotra izany aminy.

16 Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy; ny manome ny manankarena no mampihena ny ananany. (Tenin'ny olon-kendry)

17 Mampandria sofina ka henoy ny tenin'ireo hendry, manombena saina amin'ny fampianarako.

18 Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tehirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin'ny molotrao avokoa izy!

19 Mba hianteheran'ny fitokianao amin'ny Tompo, dia hianao no tiako ho toroana izao.

20 Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra, torohevitra amam-pampianarana ho anao?

21 Mba ampianarana anao ny mahamarina ny zavatra fantatra tsara, hahazoanao mamaly teny marina an'izay maniraka anao.

22 Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.

23 Fa Iaveh hiaro azy ireny amin'ny adiny; sy hanala aina an'izay nanendaka an'ireny.

24 Aza mikambakambana amin'izay olona foizina, na miarakaraka amin'izay olona masiaka:

25 fandrao mianatra ny lalany hianao, ka manomana fandrika ho an'ny fanahinao.

26 Aza mba mety ho isan'izay mora manao fanekena, dia ireo izay miantoka trosan'olona.

27 Raha tsy manan-kaloa hianao, nahoana no dia mitono-tena, halain'olom-parafara eo ambaninao?

28 Aza mamindra ny faritany fahataloha, izay efa naorin'ireo razanao.

29 Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va hianao? Ho eo anilan'ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin'ny olona ambany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557