Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-24

1 Aza mialona ny ratsy fanahy, na maniry hiaraka aminy akory.

2 Fa fandozana no saintsainin'ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.

3 Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy.

4 Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.

5 Feno hatanjahana, rahefa olon-kendry, ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.

6 Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian'ny famonjena.

7 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady:

8 Izay misaintsaina hanao ratsy, no hatao hoe mpamoron-tsain-dratsy.

9 Ota no fikasan'ny adala, ary fahavetavetana eo imason'ny olona, ny mpamazivazy.

10 Raha osa amin'ny andron'ny fahoriana hianao, dia fahosana ihany ny herinao.

11 Afaho izay entina hovonoina ho faty; ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina.

12 Raha hoy hianao: Tsy mahalala izany anie izahay! moa tsy mahita izany va, ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?

13 Anaka, mihinana tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.

14 Ary fantaro fa torak'izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao; ka raha mahazo azy hianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.

15 Aza manotrika eo amin'ny fonenan'ny marina, ry ilay ratsy; ary aza mandrava ny toerana fitsaharany,

16 fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin'ny loza.

17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin'ny faharavany.

18 fandrao hitan'ny Tompo izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho aminy, ny hatezerany.

19 Aza sosotra noho ny amin'ny ratsy fanahy, na mialona an-dry zareo olon-dratsy,

20 fa tsy mba manan-kiafarana ny manao ratsy, ary ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.

21 Anaka, matahora an'ny Tompo sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin'ny olona mpanakorontana.

22 Fa hidona tampoka ny lozan'ireny, ary iza moa no mahalala izay hanjo azy isany? (Teny hafa avy amin'ny olon-kendry)

23 Izao manaraka izao koa no avy amin'ny hendry: Tsy mety ny mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.

24 Izay milaza amin'ny ratsy hoe: Marina hianao, dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.

25 Fa izay mamay azy kosa ankalazaina, mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.

26 Manoroka ao amin'ny molotra, izay mahavoaka valy marina.

27 Alamino ny asanao eo ivelany; ny sahanao aloha no iraiketo asaina, vao izay no manao ny tranonao hianao.

28 Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana, fa hianao angaha te-hamitaka amin'ny molotrao?

29 Aza manao hoe: Hataoko aminy izay nataony tamiko; hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.

30 Nandalo ny sahan'ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala.

31 Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy.

32 Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:

33 Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory,

34 dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana, ny tsy fanananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883