Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-25

1 Izao kosa ny ohabolan'i Salomona, nangonin'ny olon'i Ezekiasa, mpanjakan'ny Joda.

2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra, fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mandini-javatra.

3 Ny lanitra amin'ny hahavony, ny tany amin'ny halaliny, ary ny fon'ny mpanjaka, samy zavatra tsy azo takarina.

4 Esory ny taim-bolafotsy, dia hisy hanaovana fanaka hataon'ny mpanao anidina.

5 Esory ny ratsy fanahy eo anoloan'ny mpanjaka, dia hiorina mafy ny seza fiandrianany amin'ny fahamarinana.

6 Aza manao endrika miavonavona eo anatrehan'ny mpanjaka, ary aza mipetraka eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;

7 Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara aty; toy izay hianao no haetry eo imason'ny andriana, izay efa hitanao maso.

8 Aza dia faingam-panohitra foana, fandrao tsy mahita izay hatao hianao amin'ny farany.

9 Raha naniratsira anao ny namanao, dia tohano ny adinao amin'ny namanao,

10 fa aza manambara ny zavatra miafin'ny olon-kafa, fandrao mahasafo-kenatra anao, izay mandre izany, ka tsy ho afaka aminao ny fahafaham-baraka.

11 Toy ny paoma volamena eo amin'ny ravaka voasokitra amin'ny volafotsy, ny teny atao amin'ny antony.

12 Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.

13 Toy ny fangatsiatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy: mamelombelona ny fanahin'ny tompony izy.

14 Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa, ny olona mirehaka amin'ny fanatitra hosoka.

15 Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara; ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.

16 Raha tojo tantely hianao, ny sahaza anao ihany hanina, fandrao voky azy hianao, ka handoa azy indray.

17 Aza mateti-pihavy ao an-tranon'ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.

18 Kanonta aman-tsabatra ary zana-tsipika maranitra; toy izany ny olona mitsangan-kiampanga tsy marina ny namany.

19 Nify tapatapaka sy tongotra mibolisatra, dia toy izany no fitokiana ny mpamadika, amin'ny andron'ny fahoriana.

20 Toy ny miala lamba amin'ny andro mangatsiaka, na minisy vinaingitra amin'ny sirahazo, ny manao kalokalo amin'ny malahelo am-po.

21 Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

22 fa amin'izany hianao hanangona vainafo ho eo an-dohany; ary Iaveh hamaly soa anao.

23 Ny rivotra avy avaratra miteraka orana; ny lela mpifosa kosa, mampahasosotra endrika.

24 Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-mipetraka amin'ny vehivavy tia ady.

25 Rano mangatsiaka ho an'ny olona mangetaheta, toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.

26 Fantsakana voatsikebona, loharano voaloto, toy izany ny marina mangozohozo eo anoloan'ny ratsy fanahy.

27 Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka, toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian'Andriamanitra, fa ho resin'ny voninahiny.

28 tanana efa afaky ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377