Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-3

1 Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko.

2 Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.

3 Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehi-vozona izany ary sokiro ao amin'ny latabatry ny fonao.

4 Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina hianao, eo imason'Andriamanitra sy ny olombelona.

5 Matokia an'ny Tompo amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'izay sainao ihany.

6 Mihevera azy amin'ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao izy.

7 Aza manao anao hendry eo imasonao, fa matahora an'ny Tompo ary miala amin'ny ratsy.

8 Fahasalamana ho an'ny vatanao izany, ary famelombelomana ho an'ny taolanao.

9 Manomeza voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanananao, sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.

10 Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.

11 Anaka, aza manamavo ny fananaran'ny Tompo, ary aza mankahala ny famaizana ataony.

12 Fa izay tian'ny Tompo no faiziny, toy ny ataon'ny ray amin'ny zanaka malalany.

13 Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana.

14 Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.

15 Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.

16 Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.

17 Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.

18 Hazon'aina izy ho an'izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy.

19 Ny fahendrena no nanorenan'ny Tompo ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20 Fahaizany no nivakian'ny hantsana, sy ampitetevan'ny rahona ny ando.

21 Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao fa tano ny fahendrena amam-pisainana;

22 fa aina ho an'ny fanahinao izany: ary haingo ho an'ny vozonao.

23 Dia hizo-dalana aman-toky hianao; ary tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24 Mandry hianao tsy hanan-tahotra, tafandry indray ho mamy torimaso.

25 Tsy hisy hatahoranao na ny fampitahorana tonga tampoka, na ny famelezana avy amin'ny ratsy fanahy.

26 Satria Iaveh no ho tokinao; ary hiaro ny tongotrao amin'ny fandrika rehetra izy.

27 Aza manda ny hanao soa amin'izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.

28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome, raha azonao atao ny manome eo no ho eo.

29 Aza misaina hanisy ratsy ny namanao, rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.

30 Aza mifanditra foana aman'olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy.

31 Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana ombany kely akory;

32 Satria halan'ny Tompo ny olon-dratsy fanahy, fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.

33 Ny ozon'ny Tompo dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; fa ny fonenan'ny marina kosa omeny tsodrano.

34 Mananihany izay mpananihany izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena.

35 Anjaran'ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026