Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-30

1 Tenin'i Agora, zanak'i Jake; oha-teny. Hoy izany lehilahy izany: Nanasa-tena aho, mba hahalalako an'Andriamanitra, mba hahalalako an'Andriamanitra dia lany ny heriko.

2 Fa ketrina noho ny olona rehetra aho, ary tsy mba sain'olombelona ny ahy.

3 Fa tsy mba nianatra ny fahendrena aho, ary tsy fantatro ny fahalalana an'ilay Masina.

4 Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any? Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no mampiorina mafy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Mahalala izany va hianao?

5 Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.

6 Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny; sao anariny hianao, ka ho hita fa mpandainga.

7 Zavatra roa no angatahiko aminao, ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:

8 Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:

9 fandrao voky aho dia manda anao, ka hanao hoe: Iza moa Iaveh? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny anaran'Andriamanitra.

10 Aza manendrikendrika mpanompo amin'ny tompony, fandrao hozoniny hianao, ka hitondra faisana amin'izany.

11 Misy taranaka manozona ny rainy, sady tsy misaotra ny reniny.

12 Misy taranaka manao ny tenany ho madio, kanjo tsy voasasa amin'ny fahalotoany.

13 Misy taranaka, miandranandram-pijery aoka izany, sady miavoavo hodimaso ery!

14 Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny, ary antsy ny vazany; hihinana ny ory tsy ho amin'ny tany, sy ny tsy manana tsy ho eo amin'ny olombelona.

15 Manan-janakavavy roa ny dinta, dia ny hoe: Omeo! Omeo! Zavatra telo no tsy mety voky, efatra no tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana;

16 dia ny seoly, ny kibo momba, ny tany tsy vonton-drano, ary ny afo koa izay tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana.

17 Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin'ny zana-boromahery.

18 Misy zavatra telo mihoatra ny saiko, efatra aza no tsy takatro:

19 dia ny dia nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka; ny dia nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy; ny dia nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina; ary ny famantaran'ny nandehanan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.

20 Toy izao no lalan'ny vehivavy mpaka vadin'olona: Mihinana izy, dia mamafa ny vavany, ka manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.

21 Raha vesaran'ny zavatra telo ny tany no mihorohoro, ary raha vesaran'ny efatra izy no tsy tantiny:

22 raha tsindrian'ny andevo sendra mahazo fanjakana, na adala rahefa voky hanina izy io;

23 na tsindrian'ny vehivavy tsy nisy mpaka raha ampakarina; na ankizivavy mandova tompovavy.

24 Eto an-tany dia misy biby efatra kely dia kely, nefa hendry dia hendry kosa izy ireo:

25 Ny vitsika izay firenena tsy manan-kery, dia mamonona ny haniny amin'ny fahavaratra;

26 Ny damana izay firenena tsy manam-pahefana, dia manao ny tranony eny amin'ny haram-bato.

27 Ny valala, tsy manam-panjakana, nefa miainga, manao antokony avokoa izy ireo;

28 ny antsiantsy, azonao samborin-tanana, nefa ao an-dapan'ny mpanjaka izy.

29 Misy biby telo tsara famindra, ary efatra no tsara fandeha;

30 ny liona, biby mahery fo indrindra, tsy mihemotra, na amin'inona na amin'inona hiadiany;

31 ny biby kinga valahana, mbamin'ny osilahy, ary ny mpanjaka, tsy azon'olona tohaina.

32 Raha dia efa adala loatra hianao, ka mila ho entin'avonavona, raha manan-kevitra izany hianao, dia tampeno tanana ny vavanao;

33 fa ny fivelezana ny ronono miteraka dibera, ny fanerena ny orona miteraka ra; ary ny fanohinana ny hatezerana, miteraka fifandirana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852