Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-31

1 Tenin'i Lamoela mpanjaka. Oha-teny nampianaran-dreniny azy.

2 Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko, ry zanako nateraky ny kiboko? Inona no holazaiko aminao, anaka, hianao izay nalehan'ny faniriako!

3 Aza atolotrao ny vehivavy ny herinao; na ny lalanao an'ireo vehivavy mamery mpanjaka.

4 Tsy mba an'ny mpanjaka, ry Lamoela, tsy mba an'ny mpanjaka ny misotro divay, na an'ny mpanapaka ny mitady toaka;

5 fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro; ka mamily ny rariny ananan'ny mahantra rehetra.

6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka, ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;

7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony.

8 Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana, sy hanohanana ny resy tondro maso rehetra manana ady.

9 Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina, ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra. (Ny vehivavy mahery fo.)

10 ALEPH Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an'ny voahangy, ny tombany.

11 BETH Matoky azy, ny fon'ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.

12 GHIMEL Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin'ny andro rehetra iainany.

13 DALETH Mamory ny volon'ondry aman-drongony izy, dia miasa an-kafaliana, amin'ny tanany.

14 HE Manahaka ny sambon'ny mpandranto izy, mitondra ny haniny, avy lavitra.

15 VAV Mifoha mbola alina izy, dia manome hanina ny ankohonany, sy lahasa ho an'ny ankizivaviny.

16 ZAIN Mandinika saha izy, dia mividy azy, ary mamboly tanimboaloboka amin'izay efa azon'ny tànany.

17 HETH Sikinany hery ny valahany, ary hatanjahiny ny sandriny.

18 TETH Tsaroany mamy ny tombony efa azony, tsy maty jiro izy mandritra ny alina.

19 YOD Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.

20 KAPH Manatso-tanana amin'ny ory izy; ary mamela-tanana amin'ny mahantra.

21 LAMED Tsy atahorany fanala ny akohonany, fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony.

22 MEM Manao firakotra ho azy izy, manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.

23 NUN Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady, raha mipetraka hitsara miaraka amin'ny loholona.

24 SAMECH Manao akanjo lobaka izy, hamidiny; ary mivarotra fehikibo amin'ny mpandrato.

25 AIN Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy, ary ny andro ho avy ihomehezany.

26 PHE Amim-pahendrena no isokafan'ny vavany, ary teny soa no eo amin'ny lelany.

27 TSADE Mitandrina ny alehan'ny ankohonany izy; ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana.

28 KOPH Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy.

29 RESCH Maro ny zazavavy miseho ho tsara fanahy, fa hianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.

30 SCHIN Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an'ny Tompo ihany no hoderaina.

31 THAV Aoka ny vokatra avy amin'ny tanany homena azy; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081