Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 31
Tenin'i Lamoela mpanjaka.

       1 Tenin'i Lamoela mpanjaka. Oha-teny nampianaran-dreniny azy.
       2 Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko, ry zanako nateraky ny kiboko?
Inona no holazaiko aminao, anaka, hianao izay nalehan'ny faniriako!
       3 Aza atolotrao ny vehivavy ny herinao;
na ny lalanao an'ireo vehivavy mamery mpanjaka.
       4 Tsy mba an'ny mpanjaka, ry Lamoela,
tsy mba an'ny mpanjaka ny misotro divay,
na an'ny mpanapaka ny mitady toaka;
       5 fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro;
ka mamily ny rariny ananan'ny mahantra rehetra.
       6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka,
ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;
       7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany
ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony.
       8 Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana,
sy hanohanana ny resy tondro maso rehetra manana ady.
       9 Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina,
ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.

(Ny vehivavy mahery fo.)
       10 ALEPH
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?
mihoatra lavitra noho ny an'ny voahangy, ny tombany.
       11 BETH
Matoky azy, ny fon'ny lahy,
ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
       12 GHIMEL
Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy;
amin'ny andro rehetra iainany.
       13 DALETH
Mamory ny volon'ondry aman-drongony izy,
dia miasa an-kafaliana, amin'ny tanany.
       14 HE
Manahaka ny sambon'ny mpandranto izy,
mitondra ny haniny, avy lavitra.
       15 VAV
Mifoha mbola alina izy,
dia manome hanina ny ankohonany,
sy lahasa ho an'ny ankizivaviny.
       16 ZAIN
Mandinika saha izy, dia mividy azy,
ary mamboly tanimboaloboka amin'izay efa azon'ny tànany.
       17 HETH
Sikinany hery ny valahany,
ary hatanjahiny ny sandriny.
       18 TETH
Tsaroany mamy ny tombony efa azony,
tsy maty jiro izy mandritra ny alina.
       19 YOD
Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany;
ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
       20 KAPH
Manatso-tanana amin'ny ory izy;
ary mamela-tanana amin'ny mahantra.
       21 LAMED
Tsy atahorany fanala ny akohonany,
fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony.
       22 MEM
Manao firakotra ho azy izy,
manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.
       23 NUN
Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady,
raha mipetraka hitsara miaraka amin'ny loholona.
       24 SAMECH
Manao akanjo lobaka izy, hamidiny;
ary mivarotra fehikibo amin'ny mpandrato.
       25 AIN
Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy,
ary ny andro ho avy ihomehezany.
       26 PHE
Amim-pahendrena no isokafan'ny vavany,
ary teny soa no eo amin'ny lelany.
       27 TSADE
Mitandrina ny alehan'ny ankohonany izy;
ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana.
       28 KOPH
Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra;
ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy.
       29 RESCH
Maro ny zazavavy miseho ho tsara fanahy,
fa hianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.
       30 SCHIN
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy;
fa ny vehivavy matahotra an'Iaveh ihany no hoderaina.
       31 THAV
Aoka ny vokatra avy amin'ny tanany homena azy;
ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.