Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-4

1 Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana,

2 fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.

3 Izaho koa dia zanaka ho an'Ikaky fahizay, zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan'ineny.

4 Dia notoroany sy nataony hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko dia ho velona hianao.

5 Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin'ny vavako, ary aza mivily miala amin'izany.

6 Aza mahafoy azy fa harovany hianao; tiavo izy fa hitahiry anao.

7 Izao no fiandohan'ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.

8 Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao; fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy.

9 Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; horavahany satro-boninahitra tsara indrindra hianao.

10 Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao.

11 Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin'ny sakeli-dalan'ny fahitsiana.

12 Raha mandeha hianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina.

13 Tano ny fahalalana ka aza avela; iraiketo izy fa fiainanao.

14 Aza miditra ny sakeli-dalan'ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin'ny lalan'ny olon-dratsy.

15 Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia hianao, dia mizora.

16 Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary mahita tory tsy nahalavo olona;

17 Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozana no fisotrony,

18 Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan'ny marina, ka mitombo hazavana hatramin'ny fiposahan'ny andro.

19 Fa toy ny aizina kosa ny lalan'ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.

20 Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin'ny lahateniko.

21 Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin'ny fonao,

22 Satria aina ho an'izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an'ny vatany manontolo.

23 Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no ihavian'ny loharanon'aina.

24 Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelipelika; ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina.

25 Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao.

26 Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra.

27 Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin'ny ratsy ny tongotrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3128