Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-5

1 Anaka, tandremo izao fahendreko izao, ary mampandria sofina amin'izao fahalalako izao;

2 mba hitahirizanao ny fisainana, sy haharetan'ny molotrao amin'ny fahanginana.

3 Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an'olon-kafa, ary mamy noho ny diloilo ny vavany.

4 Nefa ny farany mangidy toy ny absinta, maranitra toy ny sabatra roa lela.

5 midina ho any amin'ny fahafatesana ny tongony; mamantana ho any amin'ny seoly ny diany.

6 Tsy mandinika ny lalan'ny fiainana, fa manjenjena tsy mahalala izay halehan'ny diany akory izy.

7 Koa ankehitriny mihainoa ahy hianareo, anaka, ary aza mihataka amin'ny teny aloaky ny vavako.

8 Hampanalaviro azy ny lalanao, aza akekezinao ny varavaran'ny tranony,

9 fandrao dia atolotrao ny hafa ny tsara indrindra amin'ny andron'ny fahatanoranao, ary atolotrao ny tompo masiaka ny taonanao;

10 fandrao dia olon-kafa no hivoky amin'ny fanananao; ary hifindra any an-tranon'ny sasany ny vokatry ny asanao;

11 fandrao dia mitoloko hianao any am-parany, rahefa avy izay hahalevonan'ny nofonao amam-batanao;

12 ka hanao hoe: Naninona re aho no nankahala famaizana, ary naninona re ny foko no nanamavo fananarana?

13 Naninona re ah no dia tsy nihano ny feon'ny mpampianatra ahy, ka tsy nampandry sofina tamin'ireo nampianatra ahy?

14 Efa saiky tonga tamin'ny fara-fahoriana aho, teo afovoan'ny vahoaka sy ny fiangonana.

15 Ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao no sotroy, ny rano mandeha avy amin'ny fantsakanao.

16 Hiparitaka any ivelany anie ny loharanonao; ary handeha any amin'ny kianja anie ny sakeli-dranonao!

17 Aoka ho anao irery izy, fa aza iombonana amin'ny hafa.

18 Hosoavina anie ny loharanonao, ary ny vadin'ny fahatanoranao no ataovy fifalianao.

19 Fa serfavavy mahateho-tia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia aminy mandrakariva hianao!

20 Ahoana no ho raiki-pitia veivavy an'olon-kafa hianao, anaka, ka hanohona izay tratran'olon-tsy fantatra?

21 Fa eo imason'ny Tompo ny lalan'ny olombelona, dinihiny avokoa ny lalany rehetra.

22 Ny ratsy fanahy mihitsoka amin'ny ratsy nataony, ny famatoran'ny fahotany ihany no maningotra azy;

23 Ho faty noho ny tsy fahazoany famaizana izy, ary ho voafitaky ny hadalany tafahoatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.212