Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-6

1 Anaka, raha niantoka ny sakaizanao hianao, raha nametra-teny hiantoka ny hafa,

2 raha voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, sy azon'ny teny naloaky ny vavanao,

3 dia izao no mba ataovy, ry havako: mitsoaha amin'izany! Matoa latsaka eo an-tanan'ny namanao hianao, dia mandehana mihohoka aminy ary mandodona azy mafy!

4 Aza avela hatory ny masonao, na ho rendremana akory ny hodimasonao;

5 mitsoaha, toy ny serfavavy eo an-tanan'ny mpihaza; toy ny vorona eo an-tanan'ny mpamandrika.

6 Mandehana mankany amin'ny vitsika, ry ilay kamo; diniho ny lalany ka mba hendry.

7 Tsy manam-pifehy izy, na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka,

8 nefa, fahavaratra izy, mamory hanina, manangona ny fivelomany izy amin'ny finjinjana.

9 Mandra-pahoviana no mbola handrianao, ry ilay kamo, rahoviana hianao no vao hifoha amin'ny torimasonao?

10 Torimaso kely, faharendremana kely, fanohonan-tanana kely eo am-pandriana.

11 Dia ho tonga toy ny mpivahiny ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadina ny tsy fahampian-kanina!

12 Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina, dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana;

13 Mipipy maso, mihehy amin'ny tongony, manao famantarana amin'ny rantsan-tànany.

14 Ao am-pony ny faharatsiana, misaintsaina ny ratsy lalandava izy, ary manangana ady.

15 Koa ho avy tampoka ny faharavany; ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.

16 Misy zavatra enina halan'ny Tompo, misy fito no ataony ho fahavetavetana:

17 ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,

18 ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy,

19 ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin'ny mpirahalahy.

20 Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao.

21 Fehezo eo ambonin'ny fonao mandrakariva ireo, ary afatory eo amin'ny vozonao.

22 Hitarika anao amin'izay halehanao, hiambina anao amin'ny torimasonao, ary hiresaka aminao amin'ny fifohazanao.

23 Fa jiro ny didy, fahazavana ny lalana, ary lalan'aina ny fananarana mahahendry.

24 Hiaro anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy izy, dia amin'ny lela mandrobon'ny vehivavy an'olon-kafa.

25 Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin'ny hodimasony hianao.

26 Fa vehivavy janga no mila tsy hananan'ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manambady no tonga fandriky ny aina sarobidy.

27 Mety hisy ve ny olona handeha ambony vain'afo amin'ny tratrany, ka tsy ho may ny akanjony?

28 Na hoe ka hisy olona handeha ambony vain'afo mivaivay, ka tsy ho may ny tongony?

29 Toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany: rahefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.

30 Tsy misy manafoka ny mpangalatra mandroba hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;

31 raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy, ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.

32 Fa tsy misy saina kosa izay manangy vehivavy, manary tena izay olona manao izany;

33 fery amam-pahafaham-baraka no hany azony, sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.

34 Fa entin'ny hasarotam-piaro ny lehilahy nalainy vady dia misafoaka: ka tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany faty.

35 Tsy hasiany raharaha akory izay vola fanavotana; tsy horaisiny na ataonao miavosa aza ny fanatitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1663