Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 8, 22-31,

       <22Nanana ahy hatramin'ny fiandohan'ny lalany, Iaveh,
dia talohan'ny asany ela indrindra.
       23Efa niorina hatramin'ny mandrakizay aho,
hatramin'ny voalohany, talohan'ny niandohan'ny tany.
       24Tamin'ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana,
tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.
       25Talohan'ny nanorenana ny tendrombohitra;
efa teraka aho talohan'ny havoana;
       26fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka,
na ny zavatra iforonan'ny vovok'izao tontolo izao.
       27Efa teo aho, fony izy nandamina ny lanitra,
fony izy nanoritra fari-bolana tambonin'ny hantsana,
       28fony izy nampitoetra ny rahona eny ambony;
sy namolaka ny loharano avy amin'ny hantsana,
       29fony izy nanisy faritra ho an'ny ranomasina,
mba tsy hihoaran'ny rano ny morony;
fony izy nandatsaka ny fanorenan'ny tany.
       30Izaho dia niasa teo anilany,
niravoravo isan'andro isan'andro,
nilalao teo anatrehany mandrakariva,
       31nilalao teo amin'ny gilobin'ny taniny,
ary nahita fahafinaretana teo amin'ny zanak'olombelona. >