Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-9

1 Ny fahendrena efa nanorina ny tranony, efa nipaika ny andriny fito,

2 efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy, ary efa nanamboatra ny latabany.

3 Naniraka ny ankizivaviny izy, dia miantso eo an-tampon'ny havoan'ny tanana:

4 Aoka hiditra aty izay kely saina! Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:

5 Avia, hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.

6 Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona hianareo; ary mizora amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina.

7 Raby no azon'izay mananatra ny mpananihany, ary ala-baraka no hitan'izay mandevilevy ny ratsy fanahy.

8 Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia halany hianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.

9 Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa; toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.

10 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an'ilay Masina.

11 Fa izaho no hihamaroan'ny andronao, sy hitomboan'ny taona iainanao.

12 Raha hendry hianao, dia soa ho anao ny hendry; fa raha mpamazivazy kosa, hianao ihany no hivesatra ny sazin'izany.

13 Ny fahadalana dia vehivavy vavana, donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona.

14 Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, mitaingin-tseza eo an-tampon'ny havoan'ny tanana,

15 mba hitsinjo ny mpandalo, izay mizotra amin'ny lalan-kalehany.

16 Aoka hiditra aty, izay kely saina! Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:

17 Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina am-piafenana!

18 Tsy fantany fa misy ambiroa ao, ary efa any amin'ny fanambanin'ny seoly sahady ny nasainy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0364