Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 9
Roa karazana ny fanasana iantsoana ny olombelona, dia ny an'ny fahendrena sy ny an'ny fahadalana.
1 Ny fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
2 efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary efa nanamboatra ny latabany.
3 Naniraka ny ankizivaviny izy, dia miantso
eo an-tampon'ny havoan'ny tanana:
4 Aoka hiditra aty izay kely saina!
Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:
5 Avia, hano ny mofoko,
ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
6 Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona hianareo;
ary mizora amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina.
7 Raby no azon'izay mananatra ny mpananihany,
ary ala-baraka no hitan'izay mandevilevy ny ratsy fanahy.
8 Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia halany hianao;
fa ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.
9 Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa;
toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.
10 Ny fahatahorana an'Iaveh no fiandohan'ny fahendrena;
ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an'ilay Masina.
11 Fa izaho no hihamaroan'ny andronao,
sy hitomboan'ny taona iainanao.
12 Raha hendry hianao, dia soa ho anao ny hendry;
fa raha mpamazivazy kosa, hianao ihany no hivesatra ny sazin'izany.
13 Ny fahadalana dia vehivavy vavana,
donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona.
14 Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy,
mitaingin-tseza eo an-tampon'ny havoan'ny tanana,
15 mba hitsinjo ny mpandalo,
izay mizotra amin'ny lalan-kalehany.
16 Aoka hiditra aty, izay kely saina!
Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:
17 Mamy ny rano angalarina,
ary fy ny mofo hanina am-piafenana!
18 Tsy fantany fa misy ambiroa ao,
ary efa any amin'ny fanambanin'ny seoly sahady ny nasainy.