Bokin'i Osea

Toko faha-11

1 Tia an'Israely aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.

2 Nisy fiantsoana nataoko tamin'izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin'ny Baala izy, sy emboka ho an'ny sampy.

3 Ary izaho nampiana-mandeha an'i Efraima, sy nitantana azy tamin'ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy aho.

4 Nentiko tamin'ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin'ny fatoran'ny fitiavana; mova aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin'ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.

5 Tsy hiverina ho any amin'ny tany Ejipta izy; ary Asora no ho mpanjakany, noho izy tsy nety nibebaka.

6 Hampandihizana sabatra ao an-tanànany ka handrava ny hidiny ary handevona izany, noho ny fisainan'izy ireo.

7 Efa tapakevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

8 Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an'i Adama, na fampanjary anao ho tahaka an'i Seboima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

9 Tsy hanarana ny firehetan'ny hatezerako aho, tsy horavako fanindroany Efraima. Fa Andriamanitra aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga aho mitondra ny fisafoahako.

10 Hanaraka an'ny Tompo izy ireo; hierona toy ny liona izy, ka rahefa mierona izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.

11 Hidodododo avy any Ejipta izy ireo, mangovitra toy ny voronkely ary avy any amin'ny tany Asora toy ny domohina; ka hamponeniko ao an-tranony, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388