Bokin'i Osea

Osea toko 13
Anatema varomaty - Efraima, be voninahitra erý taloha dia efa nivadika ka nofaizina; miantso famaizana safatsiroa ny helony rehetra - Ho levona koa Samaria.

       1 Raha vao niteny Efraima, dia nihorohoro ny olona;
nisandratra izy teo amin'Israley.
Fa tonga meloka izy noho ny amin'i Baala, ka maty.
       2 Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany;
nanao sarin-javatra anidina tamin'ny volany,
dia sampy araka izay hevitra foroniny:
asan'ny mpanao tao-zavatra foana izany!
Izao no filazan'ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona,
manoroka zanak'omby.
       3 Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina,
ho toy ny ando amin'ny maraina malaky levona,
ho tahaka ny akofa paohin'ny rivotra avy eo am-pamoloana,
ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.
       4 Ary izaho no Iaveh, Andriamanitrao,
hat'rany amin'ny tany Ejipta;
tsy hahalala Andriamanitra hafa-tsy izaho hianao;
ary eo ivelan'ny tenako tsy misy mpamonjy.
       5 Nahalala anao tany an'efitra aho
tany amin'ny tany fahamainana.
       6 Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky;
nivoky izy ka nisondrotra ny fony;
ka izany no nanadinoany ahy.
       7 Izaho kosa amin'izy ireo, dia ho toy ny liona,
ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dàlana izy.
       8 Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka aho,
handriatra ny sarom-pony aho
ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy;
ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.
       9 Izao no mahavery anao, ry Israely, dia hianao manohitra ahy,
manohitra an'izay vonjinao.
       10 Aiza ary izay mpanjakanao,
hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra?
Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe:
Omeo mpanjaka amam-panapaka aho?
       11 Omeko mpanjaka hianao amin'ny hatezerako;
ary esoriko ireny amin'ny fahavinirako.
       12 voafehy ny helok'i Efraima,
atao tsara tahiry ny fahotany.
       13 Voan'ny fanaintainan'ny vehivavy, raha miteraka, izy;
zaza tsy manam-pahendrena,
fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.
       14 Hanafaka azy amin'ny herin'ny seoly aho,
hanavotra azy amin'ny fahafatesana.
Ry fahafatesana ô aiza ny aretina fandripahanao?
Ry seoly ô, aiza ny fandringananao?
Miafina amin'ny masoko ny nenina.
       15 Fa hahavokatra eo amin'ny rahalahiny Efraima;
nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana;
hiakatra avy any an'efitra ny fofon'ain'Iaveh;
ka ho maina ny loharanony;
ho ankina ny fantsakany;
hobaboiny ny firaketan'ny zava-tsarobidy rehetra.