Bokin'i Osea
Osea toko 14
Aoka hihaiky ny helony Israely dia hovonjen'Andriamanitra izy sy hambininy.
1 Hofaizina Samaria,
fa niodina tamin'Andriamaniny;
ho lavon-tsabatra izy ireo!
hotorotoroina ny zanany madinika;
ary hotatahana ny kibon'ireo vadiny bevohoka.
2 Miverena amin'Iaveh, ry Israely,
fa ny helokao no nahalavo anao.
3 Mitondrà teny hianareo, miaraka aminareo,
ka miverena amin'Iaveh; lazao aminy hoe:
Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray anao ho solon'ny vantotr'ombalahy
ny teny avy amin'ny molotray.
4 Asora tsy hamonjy anay,
izahay tsy hitaingin-tsoavaly;
na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô!
amin'ny asan'ny tànanay.
Hianao, izay ahitan'ny kamboty fiantrana!
5 Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin'ny foko tokoa izy,
fa efa niala taminy ny fahatezerako.
6 Ho toy ny ando aho amin'Israely;
ka haniry toy ny lisy izy,
ary handatsaka ny fakany tahaka an'i Libàna.
7 Ny rantsany hisandrahaka;
ny voninahiny, ho toy ny an'ny fototr'oliva,
ary ny fofony manitra ho tahaka ny an'i Libàna.
8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin'ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain'i Libàna ny anarany.
9 Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin'ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;
tahaka ny sipresa maitso aho;
izaho no ihavian'ny voanao.
10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hihaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny làlan'Iaveh;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.