Bokin'i Osea

Toko faha-2

1 Ny isan'ny zanak'Israely dia ho tahaka ny fasika amin'ny ranomasina izay tsy afatra na isaina, ary any amin'ny tany nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako hianareo, no hanaovana ny hoe: Zanak'Andriamanitra velona.

2 Ary hiara-mivory ny taranak'i Jodà sy ny taranak'Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezrahely. 3 Lazao amin'ny rahalahinareo hoe: Ammì! sy amin'ny anabavinareo hoe: Rokhama. 4 Mifandahara amin-dreninareo, mifandahara! Fa izy tsy vadiko intsony, ary izaho tsy vadiny intsony. Aoka hesoriny hiala amin'ny tavany, ny fijangajangany, ary tsy ho eo afovoan'ny nonony ny fanabodoany,

5 fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin'ny hetaheta.

6 Tsy hamindra fo amin'izay zanany aho, fa zanaky ny fijangajangana ireny;

7 satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoroina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin'ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon'ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.

8 Noho izany, indro aho hanampina ny làlanao amin'ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny làlany intsony izy.

9 Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an'ireny; hitady an'ireny izy fa tsy hahita azy. Izay izy vao hanao hoe: Handeha aho hody any amin'ny vadiko taloha, fa niadana aho tamin'izany noho ny ankehitriny.

10 Tsy nahalala izy, fa izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an'i Baala.

11 Koa halaiko indray ny variko amin'ny androny, sy ny divaiko vaovao amin'ny taonany, sady hesoriko ny volon'ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.

12 Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason'ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin'ny tanako.

13 Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.

14 Horavako ny voalobony aman'aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen'ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.

15 Hovaliako izy noho ny andron'ireo Baala, izay nanolorany emboka; tamin'ny andro niravahany masombola ny fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa izaho kosa nohadinoiny, - teny marin'ny Tompo.

16 Koa noho izany dia indro aho hitarika azy sy hitondra azy any an'efitra, ary hiteny aminy ao am-pony;

17 ary avy ao homeko azy ny tanim-boalobony, mbamin'ny lohasaha Akhora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin'ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta.

18 Amin'izany andro izany - teny marin'ny Tompo, hianao hiantso ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso ahy intsony hoe: Baala-ko.

19 Hesoriko amin'ny vavany, ny anaran'ireo Baala, ka tsy hotononina amin'ny anarany intsony ireny.

20 Amin'izany andro izany aho hanao fanekena ho azy, amin'ny biby dia, amin'ny voromanidina, ary amin'ny biby mandady amin'ny tany; hofoanako tsy hisy amin'ny tany ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady, ka hataoko mandry fehizay izy.

21 Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay hianao; hofofoiko ho ahy hianao amin'ny rariny sy ny hitsiny, ary amin'ny fahasoavana sy ny fitiavana:

22 hofofoiko ho ahy amin'ny fahamarinana hianao, ka hahalala an'ny Tompo.

23 Izao no ho tonga amin'izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin'ny Tompo, izaho hamaly ny fangatahan'ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan'ny tany;

24 ny tany hamaly ny fangatahan'ny vary sy ny divay vaovao ary ny diloilo, ary ireo hamaly ny fangatahan'i Jezrahely.

25 Hafafiko amin'ny tany ho ahy Israely, ary hanao famindram-po amin'i Lo-Rokhama aho sy hilaza amin'i Lo-Ammì hoe: Vahoakako hianao, ary izy hanao hoe: Andriamanitro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0389