Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Osea

Osea toko 2, 16,17b-18,21-22,

       <16Koa noho izany dia indro aho hitarika azy
sy hitondra azy any an'efitra,
ary hiteny aminy ao am-pony;
       17ary avy ao homeko azy ny tanim-boalobony,
mbamin'ny lohasaha Akhora ho varavaram-panantenana;
ka any izy hamaly toy ny tamin'ny andro fahatanorany,
sy toy ny tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta.
       18Amin'izany andro izany - teny marin'ny Tompo,
hianao hiantso ahy hoe: Vadiko:
fa tsy hiantso ahy intsony hoe: Baala-ko.
       21Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay hianao;
hofofoiko ho ahy hianao amin'ny rariny sy ny hitsiny,
ary amin'ny fahasoavana sy ny fitiavana:
       22hofofoiko ho ahy amin'ny fahamarinana hianao,
ka hahalala an'ny Tompo. >