Bokin'i Osea
Osea toko 3
Fanavotana an-dravehivavy mpivadika; famantarana ny famindram-pon'Andriamanitra amin'Israely.
1 Ary hoy Iaveh tamiko: Mandehàna indray, mitiava vehivavy izay tian'ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan'Iaveh ny zanak'Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin'andriamani-kafa, sady tia ampembam-boaloboka.
2 Novidiko sikla volafotsy dimy ambin'ny folo sy orja iray homera, ary orja iray letheka, izy; 3 dia hoy aho taminy: Hianao hijanona eo, ho ahy, mandritra ny andro maro; tsy hijangajanga, tsy ho an'ny lehilahy hafa hianao; ary izaho koa hanao torak'izany aminao. 4 Fa mandritra ny andro maro ny zanak'Israely no hitoetra tsy manam-panjaka, tsy manam-panapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manan'efoda ary tsy manan-terafima. 5 Rahefa afaka izany vao hibebaka ny zanak'Israely, ka hitady an'Iaveh Andriamaniny sy Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin'Iaveh sy amin'ny hatsaram-pony izy ireo, amin'ny faran'ny andro.